Alatsinainy 9 Aogositra 2021
Finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna. Romana 3:28
Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana. Romana 5:1, 2
Ny finoana irery ihany ! „Ianao miteny fa mamindra fo Andriamanitra. Ka tsy misy na inona na inona hataoko intsony izany ? Satria aho tsy afaka ”hividy„ ny famonjena ahy, ary tsy misy na inona na inona maha mendrika ahy, dia hamonjy ahy Andriamanitra, ary Izy irery ihany !” Eny… sady tsia !
Hamonjy anao Andriamanitra, ary „Izy irery ihany” (raha tianao anefa izany), satria ianao tsy afaka manome na inona na inona Azy mba hahatanteraka ny fepetra takin’ny fahamarinany sy „hamafa” izay rehetra tsy nankatoavanao ny sitrapony, tsy fankatoavana mahameloka tanteraka anao. Fanomezana atolony anao izany : ny famelany heloka, mahatonga anao hanana fifandraisana aminy toy ny fifandraisana ray tsara fanahy amin’ny zanany. Nefa toy ny fanomezana rehetra, dia tsy afaka hisitraka ny fanomezan’Andriamanitra ianao, raha tsy manaiky sy „mandray” izany. Ary amin’ny alalan’ny finoana irery ihany no ahafahana mandray izany. Ny ankizy dia tsy maintsy manatsotra ny tanany mba handraisany ny fanomezana avy amin’ny ray aman-dreniny. Avy eo izy dia „manokatra” io fanomezana io, mamadibadika azy, ary mieritreritra azy na dia manao zavatra hafa aza, maika ny hahita azy indray, mba hahafahany mankafy azy.
Toy izany koa ny momba ny famonjena omen’Andriamanitra. Tsy maintsy mandray izany amin’ny finoana isika, raha te hahafantatra tsara kokoa Ilay nanatanteraka azy, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, maty hamonjy ahy ary nitsangan-ko velona indray. Ny hoe finoana dia ilay tanana mitsotra mba handray ny fanomezan’Andriamanitra. Ny hoe mino dia ny toe-po miteny hoe „eny” amin’izay lazain’ny Baiboly antsika momba an’Andriamanitra, miteny hoe „eny” amin’Andriamanitra tenany mihitsy, „eny” tsy misy fepetra, „na inona na inona ho saran’izany”. Fanamby izany, nefa ahitana soa ny manao azy, satria ny fanomezan’Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay, izay midika ho fahafantarana manokana an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpamonjy (Jaona 17:3).