Talata 10 Aogositra 2021

Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

Tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy. Efesiana 6:16

 

Fahazoana antoka avy amin’ny finoana

Nanoratra i Voltaire hoe : „Ny fisalasalana dia toerana ara-toe-panahy tsy ahazoana aina, fa ny fahazoana antoka kosa dia mendrika hesoina”. Tsy mitsaha-mitombo ny fitsarana hoe lany andro na an-jaza izay rehetra mety ho fahazoana antoka. Ny tsy fananana antoka no heverina ho hany mitombina, ary somary ahitana fahafinaretana aza. Nefa mety hitsimbadika haingana dia haingana avokoa ny fiainantsika, ny asantsika, ireo fifandraisantsika, ny fiarahamonina misy antsika, ny zavatra rehetra. „Mandalo” ity tontolo hitantsika ity (1 Korintiana 7:31).

Misy anefa zavatra sasantsasany tsy miova : ny tontoloben’ny masoandro, ny kintana… Mihoatra noho izany aza : Andriamanitra dia niteny tamin’ny olona, ary eo am-pelatanantsika ny Baiboly, izay efa 3500 taona mahery ny soratra voalohany ao anatiny. Jesosy niteny hoe : „Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” (Matio 24:35). Fahazoana antoka maro no omen’ny Baiboly antsika :

— Ny fahazoana antoka fa voavonjy : „Mahatoky… izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy, hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15).

— Ny fahazoana antoka fa manana ny fiainana mandrakizay : „Mahatoky izao teny izao : Fa raha miara-maty aminy (amin’i Jesosy) isika, dia hiara-belona aminy koa” (2 Timoty 2:11).

— Ny fahazoana antoka fa hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny voninahitra : ananantsika izany fanantenana izany, izay toy ny „vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika” (Hebreo 6:18, 19).

— Ny fahazoana antoka fa hisy fitsarana : Andriamanitra dia „nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray (Jesosy) voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” (Asan’ny Apostoly 17:31).

Mitady zavatra azo antoka ve ianao ? Mitodiha amin’i Jesosy Kristy, Ilay „tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Hebreo 13:8).