Alarobia 11 Aogositra 2021
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy (Andriamanitra), na mamaly antsika araka ny helotsika. Salamo 103:10
Jehovah… mamela ny helokao rehetra… Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Salamo 103:3, 12
Lahiantitra tia ady sady manamboninahitra lefitra tao amin’ny andian-tafika frantsay „Légion” i Marcel, ary tany amina tranon’ny beantitra, tamin’ny faran’ny fiainany. Noravahany fahatsiarovana vitsivitsy ny androny lasa ny efitrano keliny.
Fahavalo mahery vaikan’izay rehetra mety ho antokom-pivavahana izy, saingy nanaiky hotsidihina mpamatsy ara-panahy iray, angamba mba handaniany andro. Noresahin’io lehilahy io aminy hatrany ny fitiavan’Ilay Andriamanitra Izay nanome ny Zanany ho famonjena ny olombelona.
Indray andro dia nanapa-kevitra i Marcel hanapaka ny tenin’ilay mpamangy azy : „Azafady kely, tompoko, ekeko fa mahafinaritra avokoa ny rehetra lazainao ahy, saingy tsy natao ho ahy mihitsy. Satria tsy fantatrao fa mihosin-dra ny tanako”. Nangina kely ilay mpitondra fivavahana. Avy eo dia nosokafany ny Baiboliny, ka izao no novakiny tao :
„Ary ny anankiray tamin’ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy, ka nanao hoe : Tsy Ianao va no Kristy ? vonjeo ny tenanao sy izahay. Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany, ka nanao hoe : Moa ianao koa tsy mba matahotra an’Andriamanitra, na dia izao samy voaheloka izao aza ? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika ; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza… Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:39-43).
Dia nitehina tampoka tamin’ny tahon-tsezany ilay lahiantitra, ary nihiaka hoe : „Izany tokoa ve ? Natao ho ahy koa izany ny paradisa !”
Nakamban’ilay mpitondra fivavahana ny tanany, ary nisaotra an’Andriamanitra izy, nanao vavaka notohizin’i Marcel tamina „amen” feno hafanam-po. Niditra tao amin’ny fiainany Jesosy.