Alakamisy 12 Aogositra 2021
Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo, ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15
Io andininy ao amin’ny Filazantsara io no lahateny voalohany nataon’i Jesosy ampahibemaso. Izy io dia mamintina feno ny hafatra apetrak’Ilay Andriamanitra Mpamonjy amin’ny olona.
— Tonga ny fotoana. Milaza vanimpotoana nifarana izany. Hitan’Andriamanitra ny fitotonganana ara-toe-panahin’ny olombelona rehetra, ka nirahiny ny Zanany mba hanarina izany toejavatra izany. Taoriana-na fiainana lavorary natokany ho voninahitry ny Rainy, dia nanolotra ny ainy Jesosy Kristy, Ilay olona sady Andriamanitra, mba hahafahan’Andriamanitra manangana antsika ho zanany (Hebreo 2:10, 12).
— Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy voafaritra sisin-tany io fanjakana io, fa sehatra ara-panahy, ka ny sitrapon’Andriamanitra no fenitra arahiny ; amin’ny finoana no idirana ao aminy, ary ny foto-kevitra ijoroany dia voarakitra ao anatin’ny toriteny nataon’ny Tompo tany an-tendrombohitra (Matio 5 hatramin’ny 7).
— Mibebaha ianareo. Izany didy izany dia manavao tanteraka ilay antso efa nataon’i Jaona Mpanao Batisa, izay nirahin’Andriamanitra mba „hamboatra ny lalan’ny Tompo”. Ny fahamendrehantsika manokana dia tsy ahafantsika misitraka ireo fitahiana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ilaina ny fiovan-tsaina, ny fitsaran-tena : izany no atao hoe fibebahana.
— Minoa ny filazantsara. Ny teny hoe „filazantsara” dia midika hoe „vaovao mahafaly”. Inona moa no vaovao mahafaly mihoatra ny hoe : „Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15) ? Andraikitry ny tsirairay ny manokatra ny sofiny sy ny fony, hihaino ny hafatra entin’Ilay Mesia. Horaisina ve izy io ? Inona no havalintsika ny didy nomena hoe : „Minoa ny filazantsara” ?