Zoma 13 Aogositra 2021
Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona ; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona. 1 Korintiana 1:25
Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana (hazofijalian’i Jesosy Kristy) dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18
Raha tsy voasoratra tao anatin’ny Baiboly io andinin-tSoratra Masina notanisaina voalohany io, dia tsy hisy kristiana ho sahy hanome an’Andriamanitra ireo toetra roa ireo : fahadalana sy fahalemena ! Ahoana tokoa moa no mety hananan’Ilay Andriamanitra Mpahary izao tontolo rehetra izao fahalemena, ary ahoana no hahazoana manome an’Ilay „Andriamanitra tokana… sady hendry” (Romana 16:27) ny toetra hoe fahadalana ?
Ny teny ampiharin’ny tsy mpino amin’ny Filazantsara no ampiasain’ny apostoly Paoly eo. Hoy tokoa mantsy ny tsy mpino : Inona hoe ? Andriamanitra tonga olona ao amin’i Jesosy, ary maty afa-baraka satria nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, toy ny jiolahy ? Dia hoe maty mba ho famelana ny fahotana ary nitsangana tamin’ny maty ? Tsy hay atao izany ! Fahatafintohinana izany toa fahalemena notafin’i Kristy izany, ho an’ny Jiosy, izay niandry Mesia be voninahitra, mpanjaka hanafaka azy ireo amin’ny ziogan’ny fanjakana romana ! Ary fahadalana, ho an’ireo Grika, nanana ireo filôzôfany, izay nikatsaka ny fahendrena !
Nefa ny Filazantsara, ilay Vaovao mahafaly lehibe avy amin’Andriamanitra, dia nambara teo amin’izao tontolo izao, tsy nampisehoana harena, na hery, na fahaiza-miteny, fa tamin’ny alalan’i Jesosy, Izay tsy nanana na inona na inona teto amin’ity tany ity. Avy eo io Filazantsara io dia notorin’ny apostoly roa ambin’ny folo lahy, ary taorianan’izany dia notorina mpianatra nanambara ny famonjena mandrakizay amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana ary nitsangana ho velona indray, noho ny herin’Andriamanitra. Nanao izany izy ireo, na dia teo aza ny loza, ny fanenjehana, ary ny mety ho namoizany ny ainy mihitsy, indraindray. Mandraka ankehitriny ny herin’ny Filazantsara dia nitarika ho amin’ny finoana, olona tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny sokajy ara-piarahamonina rehetra, anisan’izany filôzôfa, mpikabary, manampahaizana. Ireo izay nandray io Vaovao mahafaly io dia mahafantatra fa Jesosy tokoa no tena herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra !