Asabotsy 14 Aogositra 2021
Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany… amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika ; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa. 1 Korintiana 8:5, 6
Hatairana ny tao Ofra, any Jodia, nony nifoha maraina ireo lehilahy tao an-tanàna, ka nahita fa nisy nandrava tamin’ny alina ny alitaran’i Bala andriamaniny (Mpitsara 6:30-32) ! Fantatra tamina fanadihadiana maika, fa tovolahy iray antsoina hoe Gideona no nanatanteraka io fametavetana io. Koa notakin’ireo mpivavaka tamin’i Bala ny hanolorana an’i Gideona ho eo am-pelatanany, mba hovonoiny ho faty. Nefa namaly ny rain’i Gideona hoe : „Moa ianareo handahatra ho an’i Bala va ? Ianareo va no hamonjy azy ? … raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an’ny tenany.”
Nanaitra aoka izany ilay valinteny, ka tsy vita fotsiny hoe tsy novonoina i Gideona, fa nanjary nantsoina mihitsy hoe „Jerobala”, izay midika hoe : „Aoka Bala handahatra ho an’ny tenany !”
Mazava ho azy fa i Bala, ilay andriamani-tsy izy, dia tsy afaka hamaly faty amin’i Gideona. Fa Jehovah kosa, Ilay Andriamanitr’i Gideona, dia hiaro azy amin’ny herin’ny Midiana, vahoaka mpandroba tonga hanafika ny taniny.
Andriamanitra inona no anananao ? Andriamanitra mila anao hamaly faty ve, rehefa atao tsinontsinona ny voninahiny ?
Ilay Andriamanitra tokana, Mpahary ny lanitra sy ny tany, dia naniraka an’i Jesosy ho eto amin’izao tontolo izao, mba hamonjy ireo izay matoky Azy. Izy izany dia tsy andriamanitra natao harovanao, fa Andriamanitra fitiavana, mandray an-tanana ny momba anao, mba hanafaka sy hamonjy anao, ka hahatonga anao ho anisan’ny zanany.
Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany
Mba hitady sy hamonjy ireo izay very ;
Mahay manafaka anao amin’ny vesatry ny fahorianao Izy ;
Mahafantatra Azy ve ianao ?