Alahady 15 Aogositra 2021

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; eny, mitantana anao… Aho. Isaia 41:10

Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Salamo 86:5

 

Ampy ho anao ny fahasoavako

„Ampy ho anao ny fahasoavako”. Endre ! teny mampitolagaga !

Teny ampy hatrany am-parany ho an’ny zavatra rehetra,

Santatr’ilay fahasambarana tsy hay ambara amin-teny, santatra mahatalanjona

Hositrahinay tsy hisy fiafarany eo anilanao, ry Jesosy.

 

„Ampy ho anao ny fahasoavako”. Ao anaty fahalemenay lalina indrindra

Dia tsapanay ny famonjenao feno hery, ry Tompo ;

Manohana ny finoanay Ianao, na mijaly aza izahay,

Mikarakara anay mandrakariva ny fitiavanao.

 

Tsy ho ela izahay, ao an-tranon’ny Ray, dia ho afaka hankafy

Ny vokatra feno fitahiana avy amin’ny fahasoavanao,

Ary hahatsiaro, any ambony any, ny andro namalinao anay

Tetỳ an-tany hoe : „Ampy ho anao ny fahasoavako”.

„Izany no nangatahiko intelo tamin’ny Tompo… Nefa hoy Izy tamiko : Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (2 Korintiana 12:8, 9).