Alatsinainy 16 Aogositra 2021
Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8, 9
Ny Fahasoavana irery ihany ! Izany dia fahamarinana fototra nampahafantarina indray ny kristiana, tamin’ny fotoanan’ny Fanitsiam-pivavahana. Ho amin’ny famonjena antsika, toy ny amin’ny zavatra rehetra momba antsika, dia tsy misy azontsika ianteherana, afa-tsy ny fahasoavan-dehiben’Andriamanitra.
Ny manantena hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ireo asa soa atao, dia mitovy amin’ny mampiasa seza kely hanakarana ny lanitra. Ahoana no hahafahantsika mandoa zavatra amin’Andriamanitra ? „Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony” (Salamo 49:7). Nahoana moa io salamo io no miresaka avotra ? Satria ny fahotantsika dia toy ny trosa tokony hefaintsika amin’Andriamanitra, nefa tsy voaloantsika (Matio 18:23-27).
Koa satria isika tsy manana na inona na inona handoavana izany, dia omen’Andriamanitra maimaimpoana (Matio 10:8) ! Nitafy voro-kitsay isika, fa Andriamanitra kosa nampitafy antsika ny akanjo tsara indrindra, dia ny fahamarinan’i Kristy. Novesaran’ny fahotantsika isika, fa Jesosy kosa „nandoa” ny saran’izany tamin’ny nahafatesany nisolo toerana antsika. Meloka isika, fa Jesosy kosa namela ny helotsika. Ory isika, fa Jesosy kosa nanome antsika ny fiadanany sy ny fifaliany… Izany no tena fahasoavan’Andriamanitra marina : tolotra, fanomezana tsy mendrika antsika mihitsy, fanomezana novidiny lafo dia lafo ! Nomen’Andriamanitra antsika tao amin’i Jesosy ny zavatra rehetra.
Mba hahafahantsika misitraka izany fahasoavan’Andriamanitra izany, dia ampy ny miaiky fa mila izany, miaiky fa tsy maha tafavoaka antsika ny ezaka ataontsika manokana, miaiky fa efa nozakain’i Jesosy ny famaizana sahaza antsika.