Talata 17 Aogositra 2021

Misy fifaliana… eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra, ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka. Lioka 15:10

 

Ny fahagagana lehibe indrindra

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 16:22-34

Fahagagana tsy fahita firy no nataon’Andriamanitra, hanafahany an’i Paoly sy Silasy, izay nofatorana tany an-tranomaizina. Nisy horohorontany mafy nampihozongozona ny fonja, nivoha ny varavarana rehetra, ary nivaha ny fatoran’ny mpigadra. Nefa tsy izany fanehoan’Andriamanitra ny heriny izany no fahagagana lehibe indrindra. Mbola mahatalanjona lavitra ny hoe olona very no hanjary voavonjy.

Nahatonga saina ilay mpiambina ny tranomaizina ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra tamina fomba mihoatra noho ny voajanahary, mba hamahany ireo vavolombelony roa lahy. Nanjary tsinjony fa hihaona amin’Andriamanitra izy, ka izany dia nampangorohoro azy mihoatra lavitra noho ny hoe homelohin’ny mpitsara, satria tsy nahatontosa ny asa nankinina taminy. Fantany fa hihatra aminy ny fanamelohan’Andriamanitra, noho ireo fahotany. Koa nitebiteby izy, nihiaka hoe : „Inona no mety hataoko, mba hovonjena aho ?” Tsy miova ny valinteny, fa toy ny tamin’ny taonjato roapolo lasa ihany : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao”.

Isanandro Andriamanitra dia manao io fahagagana io amin’olona an’arivony. Angamba ianao iray amin’ireo tiany hovonjena, ka hoentiny eo amin’i Jesosy Mpamonjy. Mitandrema sao mandà Ilay miteny aminao (Hebreo 12:25), satria raha ataonao tsinontsinona ny famonjena lehibe aoka izany nataon’i Jesosy (Hebreo 2:3), ahoana no hahafahanao mandositra, amin’ny andro fitsarana ? Hamafisin’ny Tenin’Andriamanitra fa „tsy misy famonjena, amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12). Ary samy mpanota isika rehetra, ka mila famonjena avokoa.