Alarobia 18 Aogositra 2021

Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao ? Salamo 139:7

(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37

 

Lisitry ny tranonkala nojerena

Ny solosaina ankehitriny dia mitahiry ny lisitry ny tranonkala rehetra nojerentsika tao amin’ny internet. Kitika tsotra fotsiny dia mahafafa io lisitra io. Fa ny tranonkala nojerena kosa dia mitahiry ny marik’ilay fandalovana, ary mitrandraka azy.

Ary mba fantatrao ve fa Andriamanitra dia mirakitra izay rehetra ataontsika, na eritreretintsika fotsiny aza, mandritra ny fiainantsika ? Ao amin’ny Salamo 139 dia resahin’i Davida antsika Ilay Andriamanitra mahafantatra ny zavatra rehetra sy manerana ny toerana rehetra. Hoy izy : „Ianao… mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny… fantatrao tsara ny alehako rehetra… fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao” (and 2, 3, 12). Ny Apokalypsy koa dia miresaka boky mirakitra ny zavatra rehetra (20:12).

Koa satria isika tsy nandeha am-pahitsiana mandrakariva —fa ny mifanohitra amin’izany aza-, ny fihetsika voalohany mety hataontsika tokoa dia ny hiafina sy handositra. Nefa tsy hay andosirana ny fijerin’Andriamanitra. Tsy maintsy hampamoahiny avokoa ny olona rehetra.

Ary satria marina Andriamanitra, dia tsy maintsy nofaiziny ny ota. Fa ny vaovao mahatalanjona dia hoe Andriamanitra te hamela ny fahotantsika olo-meloka. Mba hahafahany manao izany, dia nazerany tamin’i Jesosy Zanany ny vesatry ny fahadisoantsika, ary maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, tao Golgota.

Aoka isika tsy hisalasala intsony, ndao hanatona an’i Jesosy, amin’izao maha isika antsika izao, sy handray ny famelan-keloka maimaimpoana atolotr’Andriamanitra antsika amin’ny alalany. Izay manatona an’i Jesosy toy izany, dia tsy mba holaviny mihitsy ; handray azy Andriamanitra, hamafa ny tsy mety rehetra ao amin’ny „lisitra” momba ny fiainany, ary hanome azy ny antoka fa ho sambatra mandrakizay izy.