Alakamisy 19 Aogositra 2021
Namelatra ny tànako mandritra ny andro Aho, tamin’ny firenena miodina. Isaia 65:2
Ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. Ezekiela 36:28
Nahoana no be ny avonavona, ny herisetra, ny haratsiana ? Nahoana, eto amin’izao tontolo izao, no be ny korontana, ny fijaliana, ary ny tsy fahamarinana ? Nahoana no mihoa-pampana ny fikatsahana fahafinaretana tsy misy hoavy antenaina akory ? Nahoana ny fitiavam-bola no mangeja aoka izany ny olona ?
Valiny hentitra no omen’ny Baiboly ireo fanontaniana ireo, hoe : „Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9).
Avy ao amin’ny fon’ny olona izany no iavian’ny olana, ary tsy misy fanafana. Ny kolontsaina, ny fanabeazana, ny filôzôfia, ny finiavana, lalàna ara-drariny sy tsara, eny fa na ny antokom-pivavahana aza, dia tsy misy mahova ny fon’iza na iza.
Nefa misy mahay manao izany, dia Andriamanitra ! Tsy manova ny fiarahamonina Izy, tsy manova ireo toejavatra eo amin’ny fiainana, na ny toetra maha olona, fa kosa te hanome fo vaovao ho an’ny olona tsirairay.
Hitany isika fa andevon’ny ratsy, mihazakazaka mankany amin’ny loza, ary tsy mahavonjy tena hiala tamin’izany. Koa nirahiny Jesosy mba hanafaka antsika avy ao amin’izany toerana izany, mba hitondra ny fahamelohantsika eo amin’ny tenany ary hanefa ny trosantsika. Nanao sorona ny tenany Jesosy, nisolo toerana antsika mba hokapohin’Andriamanitra. Koa ankehitriny Andriamanitra dia manolotra famelan-keloka feno sy tsy iverenana intsony ho an’izay mino an’i Jesosy, ary manome azy ny fiainana mandrakizay.
Isika ihany koa àry, ndao hiaiky fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra. Ndao hanatona Azy an-kitsimpo, satria vonona Izy hamela ny helotsika sy hanao antsika ho mpianatr’i Jesosy Kristy. Amin’izany no hanombohan’ny fiovana.