Zoma 20 Aogositra 2021

Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely, tambonin’ny ondana ; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe : Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao ? Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe : Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. Ary hoy Izy taminy : Nahoana no saro-tahotra ianareo ? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo ? Marka 4:38-40

 

Kristy tao anatin’ny tafiodrivotra

Ny sary hosodoko „Kristy tao anatin’ny tafiodrivotra” nataon’i Rembrandt dia maneho ny tantara ao amin’ny Filazantsara araka an’i Marka toko faha-4. Niady tamin’ny rivotra sy ny onjan-drano ny mpianatra, niezaka ny tsy ho rendrika, fa Jesosy kosa natory. Manaitra kely, eo amin’io sary hosodoko io, ny isan’ny mpianatra teo an-tsambokely : tsy roa ambin’ny folo, fa telo ambin’ny folo. Araka ny filazan’ireo manampahaizana manokana, dia ilay mpanao hosodoko mihitsy no faha telo ambin’ny folo, toy ny hoe te hampitovy ny tenany amin’ny mpianatra izy.

Tamin’io andro io dia takatry ny mpianatra fa mihoatra lavitra noho ny hoe mpitarika ara-pivavahana Jesosy, takatr’izy ireo fa Izy no Ilay Mpahary, satria nanaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina. Ary ity tranga nandreraka niainan’izy ireo ity dia nahafahany nahafantatra tsara kokoa Ilay Mpampianatra azy ireo.

Tsy misy olona misafidy mba handalovan’ny tafiodrivotra eo amin’ny fiainany… saingy rehefa mihatra amintsika izany, dia afaka maka tahaka mandrakariva ireo mpianatra isika, miantso vonjy amin’ny Tompo Jesosy, araka ny tolokevitr’i Rembrandt.

Marina fa raha tojo zava-tsarotra lehibe isika, dia mety hihevitra fa „tsy eo” ny Tompo, ary tsy miraharaha antsika. Nefa tsy izany mihitsy, fa tena eo tokoa Izy, ary azontsika antsoina. Aoka isika hatoky Azy. Angamba Izy tsy hamaly antsika amin’ny fotoana nantenaintsika… nefa dia tia antsika Izy ary tsy matory ! Hamaly Izy amin’ny fotoana maha mety izany.

Sarotra aoka izany aminay ny hino ny fampanantenanao

Sy tsy hiantehitra amin’ny ezaka ataonay samirery.

Ny fahatoniana sy filaminana no ho herinay,

Ary ny fatokiana ny tsy fiovaovanao no ho fiadananay.