Asabotsy 21 Aogositra 2021

Mitadiava, dia hahita ianareo. Lioka 11:9

Ny Zanak’olona (Jesosy) manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka. Marka 2:10

 

Aoka ihany indray hoe ?

Tsara vakina : Marka 2:1-12

Ny Filazantsara araka an’i Marka dia mitantara amintsika an’i Jesosy tao Kapernaomy, tanàna amoron’ny farihin’i Tiberiasy. Vahoaka maro no nihazakazaka ho eo aminy ao an-trano, nefa maro aoka izany izy ireo, ka tsy nisy toerana intsony ary sarotra ny nanatona.

Nisy lehilahy malemy iray anefa, te hihaona amin’i Jesosy : fantany fa Jesosy irery ihany no afaka hanasitrana azy, satria efa nanao fahagagana maro teo amin’ny toerana manodidina.

Ahoana anefa no hahafahany manatona ? Teo ny vahoaka, nanentsina ny lalana. Izy koa tsy afaka mikisaka irery rahateo ! Isika ve tsy ho niteny hoe : „Aoka ihany indray e” ?

Mifanohitra amin’izany ireto namany efa-dahy, izay nanana finoana mikiry, ka nilanja azy tamina fandriana, nanaisotra ampahany tamin’ny tafontrano, ary nampidina azy teo anatrehan’i Jesosy. Nanasitrana azy Jesosy ary nanome azy fahasoavana lehibe lavitra, dia ny famelan-keloka.

Mahatsapa tena ho irery ianao, kivy koa angamba, mila fanasitranana ny fanahy, ary mba te hahita olona hizarana ny zava-manahirana anao : aza milavo lefona. Manatòna an’i Jesosy, mahareta mitady Azy. Amin’ny fomba ahoana ? Ambarao Azy izay rehetra manahiran-tsaina anao, lazao tsotra amin’ny fiteninao, tsy mila fehezanteny sarotra : izany no atao hoe vavaka. Avelany hahita Azy, ireo izay mitady Azy. Ary indrindra, omeny antsika ny zavatra fototra ilain’ny fanahintsika, dia ny famelana ny fahotantsika, satria tsy misy fiadanana feno raha tsy voavela heloka.