Alahady 22 Aogositra 2021
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Vao vita ny ady lehibe faharoa. Nisy raim-pianakaviana nitsangantsangana niaraka tamin’ny zanany kely, teny amin’ny arabe-na tanàn-dehibe iray tany Amerika. Tsindraindray izy ireo dia nahatazana kintana volafotsy eny amina varavarankely fitaratra tarafin’ny jiro. Milaza izany fa tao amin’io ankohonana io, mba ho fanafahana an’i Eoropa, dia nisy zanaka lahy iray maty. Eny amin’ny varavarankely sasany aza dia roa ny kintana volafotsy : zanaka lahy roa no maty. Dia nanisa ireo kintana volafotsy ilay ankizy.
Nanohy ny fitsangantsanganany izy ireo, ary nahatazana ny kintan’ny hariva, nipoitra namirapiratra teny amin’ny lanitra, teo anelanelana trano roa ngezabe. Dia nanontany ilay zaza, hoe : „Hono hoy aho ry dada, fa angaha Andriamanitra nanome zanaka lahy koa ?” Nofihinin’ilay raim-pianakaviana mafy ny tanan-janany, ary hontsa fo izy namaly hoe : „Eny, nomen’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana, mba ho famonjena antsika tsirairay”.
Efa fantatr’Andriamanitra ny fomba handraisan’ny mponina tetỳ an-tany Ilay Zanany malalany. Fantany mialoha fa hialona sy hankahala an’i Jesosy ireo mpitondra ; efa fantany ny ho faniratsirana, fitenenan-dratsy, kapoka, famantsihana eo amin’ny hazofijaliana. Fantatr’Andriamanitra izany rehetra izany, nefa dia nomeny ho an’ny zanak’olombelona ihany ny Zanany. Nomeny Jesosy, satria tiany isika. Hain’ny saina takarina ve izany fitiavan-dehibe izany ? Fony isika mbola tsy mendrika, tokony hankahalaina, ary fahavalony, „Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). Isika ve mba anisan’ireo afaka miteny hoe : „Isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika” (1 Jaona 4:16) ?