Alatsinainy 23 Aogositra 2021
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5, 6
Jesosy Kristy… Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany. Apokalypsy 1:5
Kristy irery ihany ! Fanambarana mety hahagaga ihany izany : nahoana moa no tsy maintsy niverina nanamafy io fahamarinana io ny kristiana tamin’ny taonjato faha-16 ? Natao an-jorom-bala angaha Kristy ? Eny, azo lazaina ho izany.
Jesosy Kristy tokoa mantsy no hany Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, ary Izy irery no afaka manao io anjara asa io. Jesosy mihitsy no efa niteny fa Izy irery no lalana mankany amin’Andriamanitra : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Ahoana koa moa no hanankinana izany andraikitra izany amin’olona hafa ankoatra an’i Kristy e ? Nefa dia izany no ataontsika, raha toa isika miantehitra amin’olon-kafa ankoatra Azy, hampita amin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, hiaiky ny fahotantsika, „hahazo” ny famonjena antsika, sns.
Ndao vakina tsara ny tantaran’ny nahafatesan’ny Tompo : tamin’ny fotoana nahafatesany dia triatra hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao an-tempolin’i Jerosalema. Nizara ho toerana roa nosarahina efitra lamba mantsy io tempoly io : ny voalohany, natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana fanao isanandro ; ny faharoa, natokana ho an’Andriamanitra, Izay nonina teo anivon’ny vahoakany. Tsy nisy nahazo niditra tao amin’ilay efitra faharoa, afa-tsy ny mpisoronabe, ary indray mandeha isan-taona ihany (Hebreo 9:7).
Noho izany dia misy heviny lehibe ny nahatriatra ny efitra lamba nanakana ny fidirana ao amin’io toerana faharoa io. Asehon’izany fa nanokatra lalana mivantana ho eo amin’Andriamanitra ho antsika Jesosy Kristy, tamin’ny nahafatesany. Izy no lalana vaovao sady velona mankeo amin’Andriamanitra, lalana namaky teo amin’ny efitra lamba, dia ny nofony (Hebreo 10:20). Lavorary ny asa nataon’i Kristy, koa aoka isika hanaiky Azy ho Ilay hany Mpanalalana amin’Andriamanitra sy isika.
(mifarana amin’ny heriny)