Talata 24 Aogositra 2021

Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Isaia 46:4

Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa. Isaia 40:31

 

Rehefa antitra ianao

Tsy misy olona te „ho antitra”. Sarotra jerena ny hoe mihena ny fahafaha-manao ary manjary miankina amin’ny hafa ny tena… Ny Baiboly anefa dia miresaka mpino maromaro nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fomba miavaka, rehefa antitra, na dia nihena aza ny fahafahan’izy ireo manao zavatra.

Isaka : efa ho jamba io patriarka io no nitsodrano tam-pinoana „ny amin’ny zavatra ho avy”, ireo zanany roa lahy, dia Jakoba sy Esao (Hebreo 11:20). Nihapahina ny masony, ary nafangarony mihitsy aza izy mirahalahy ; fa Andriamanitra kosa nitarika azy hitsodrano ireo zanany, araka ny tokony ho izy (Genesisy 27).

Jakoba : nisafotofoto ny fiainany. Nanam-paharetana sy tsy niovaova Andriamanitra, nikarakara io lehilahy sarotra ahitsy io. Tamin’ireo fizahan-toetra teo amin’ny fiainany no nanefen’Andriamanitra sy nampianarany azy. Rehefa ho faty i Jakoba dia nilaza hoe : „Andriamanitra… Mpiandry ahy” (Genesisy 48:15). Ary tam-pinoana ihany koa no nitsofany rano ireo zafikeliny roa lahy, tamin’ny fomba nilan’Andriamanitra izany. Nandao azy ny heriny ara-batana, nefa ny fiombonany amin’Andriamaniny dia nahatretrika tsy nisy toy izany. Teo am-pialana aina izy dia „nitsaoka” (Hebreo 11:21, adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : „nivavaka”).

Petera mpianatr’i Jesosy dia lehilahy feno hery ary tia ny Mpampianatra azy. Nilaza izy fa hanaraka an’i Jesosy hatramin’ny fahafatesana. Nefa nandà Azy izy, na dia nanana finiavana tsara aza. Nanarina azy Jesosy, tamin’izany fahalavoany mampalahelo izany, ary niresaka ny fotoana hoe „rehefa antitra” i Petera (Jaona 21:18, 19) ; dia nanjary nahay nanaiky ny sitrapon’ny hafa ny sitrapon’i Petera, nanjary nanaiky hotarihina izy, ary nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fahafatesany.