Alarobia 25 Aogositra 2021

Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah : na dia tahaka ny jaky (mena) aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala. Isaia 1:18

Nisy boky nosoratana teo anatrehany (anatrehan’i Jehovah), ho fahatsiarovana. Malakia 3:16

 

Mamadika ny pejy

Isanandro isika dia mahare vaovao : asa fampihorohoroana, ady, vonoana olona, loza voajanahary…, ary avy eo dia mamadika ny pejy. Ho andro hafa indray ny rahampitso, hitrangana fahoriana sy fifaliana isan-karazany. Mariho koa fa indraindray dia kinga isika mamadika ny pejy, mba tsy hijanona eo amin’izay manahirankirana antsika, ary amin’izany dia miteny hoe : tsy tokony hijery ny lasa na hanjonitra eo, fa tokony hiroso hatrany !

Nefa tsy dia tena haiko kosehina tanteraka ny lasako, vesaran’ireo fahadisoako, fibolisarako, hakanosako. Indray andro any mantsy aho dia tsy maintsy hamadika ny pejy farany amin’ny fiainako eto an-tany, ary hiditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Amin’izay aho, eo anatrehan’Ilay Mpitsara faratampony, dia tsy maintsy hampamoahiny ny amin’izay rehetra voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainako tetỳ an-tany.

Ary izay tsy haiko sy tsy hain’iza na iza natao, dia efa nataon’Andriamanitra. Nofafany avokoa ny fahadisoako rehetra, satria Jesosy Kristy efa nizaka ny famaizana tandrify izany. Hoy Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, hoe : „Vita”, teny midika hoe : „Voaloa”. Raha ekeko izany, dia tsipihin’Andriamanitra ny rehetra eo amin’ny pejin’ny trosa ananany amiko, ary soratany hoe : „Voaloa”.

Amin’izay Andriamanitra, na dia manana fitadidiana tsy mety diso aza, dia afaka miteny amiko hoe : „Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao, noho ny amin’ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao” (Isaia 43:25).