Alakamisy 26 Aogositra 2021
Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy… noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy. Filipiana 3:7, 8
Maro ireo olona manaraka fatratra isanandro ny sandan’ny vola ao amin’ny Varobola. Ny tsirairay amin’izy ireo dia manombantombana ihany koa hoe : ohatrinona ny tombony azoko, ohatrinona ny fatiantoka ?
Ao amin’ny Filazantsara, Jesosy Kristy dia mametraka ny fanontaniana hoe : „Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ?” (Matio 16:26). Taominy isika, amin’izany, mba hisaina lalina momba ny dikan’ny fiainantsika. Inona, amintsika, no tena harena ? Ny zavatra ataoko ve ahazoako tombony sa iaretako fatiantoka ?
Samy mandalo ihany ny zavatra angonina eto amin’ity tany ity, na fananana hita maso izany na harena ara-tsaina ; miala tanteraka amintsika ireo, rehefa maty isika. Taomin’Andriamanitra isika hanangona harena any an-danitra, any amin’izay misy ny zavatra tsy mety simba. „Manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany” (Lioka 12:33). Tsy harena tsapain-tanana io, fa harena tsara lavitra : harena ara-panahy raisintsika rehefa mino an’i Jesosy Kristy isika. Azony ho antsika io harena io, tamin’ny rany latsaka teo amin’ny hazofijaliana, mba hanafahany antsika amin’ny fahamelohantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Io ra io dia sarobidy lavitra noho ny volafotsy sy ny volamena (1 Petera 1:18, 19). Ary isika hiara-manana mandrakizay amin’i Jesosy ny harenany ara-toe-panahy : fahamarinana, fiadanana, fifaliana. Nanantena hiaraka tsy ho ela amin’i Jesosy ny apostoly Paoly, ka niteny fa tsy misy lanjany aminy intsony ny ankoatra izany.