Zoma 27 Aogositra 2021

(Hoy Jesosy :) Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:3

Indro, avy faingana Aho. Apokalypsy 22:12

 

Fanantenana mahatretrika sy azo antoka

Ny olombelona dia mila fanantenana mba hiainany tsara, nefa tsy dia manome izany loatra izao tontolo ankehitriny izao. Toa marefo aoka izany mantsy ny fifandanjana eo amin’ny sehatra rehetra (toekarena, pôlitika ara-toetany, tontolo iainana…). Mampatahotra izany ! Koa matetika loatra isika no mialokaloka ao amina fialamboly isan-karazany, mba handosirana ny zavamisy eo amin’ny fiainana sarotra sy hanadinoana ny tahotra momba ny hoavy tsy azo antoka. Nefa fantatry ny tsirairay tsara, ao anatiny lalina ao, fa fetrandro tsy azo ihodivirana ny fahafatesana. „Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona” (Jakoba 4:14).

Taonarivo maromaro lasa izay, dia hoy i Joba, nahatsapa ny tena zavamisy : „Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko, ka lany tsy misy fanantenana” (Joba 7:6). Fa tatỳ aoriana kosa, rehefa nahita ny any ambadik’izany izy, dia afaka nanampy hoe : „Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy… Izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa” (Joba 19:25, 27). Mandraka ankehitriny izany fanantenana izany dia mbola mitoetra ao anatin’ireo izay nametraka ny tokiny amin’i Jesosy, Ilay Mpamonjy. Ho tanteraka ny drafitra mahatalanjona natsangan’Andriamanitra, dia ny hanangona ny zanany ho eo anatrehany, ho mandrakizay : hirahiny Jesosy Kristy Zanany mba haka ho any an-danitra ireo rehetra mino Azy (1 Tesaloniana 4:17). Dia „ho any amin’ny Tompo mandrakariva” izy ireo. Isika rehetra ve mba afaka miteny hoe :

Izany fanantenana feno voninahitra izany

Dia mamelombelona ny fontsika kivy ;

Endre ! mahatretrika ny miandrandra

Ny hiarahana tsy ho ela amin’i Jesosy !