Asabotsy 28 Aogositra 2021
Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra ; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy ; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. 1 Petera 4:11
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! Andriamanitra irery ihany no mendrika ny fiderana sy ny fitsaohantsika. Andriamanitra dia feno voninahitra, Izy Ilay nahary antsika, sy namonjy antsika.
Nefa ny olona noarìn’Andriamanitra dia tsy nanome haja Ilay Mpahary azy : „Tsy mba nankalaza Azy toy izay mendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany… nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao” (Romana 1:21, 25).
Na izany aza anefa, dia tsy mba Andriamanitra any lavitra any Ilay Mpahary antsika : naneho ny tenany Izy, ary nanaporofo fa tia antsika amina fitiavana tsy hay refesina, ka naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany sy nanafay Azy nisolo toerana antsika.
Ahoana no hahafahantsika manome haja Andriamanitra toy izany ?
— Tsy misy, na inona na inona, na iza na iza, tokony haka ny toeran’Andriamanitra ao anatin’ny foko sy eo amin’ny fiainako. Raha tsy izany dia ho toy ny manompo sampy aho. Tsy misy mendrika ny hotompoina mialoha Azy, na olo-malaza, na asa tiana manokana, na firehan-kevitra.
— Tsy izaho no ivon’izao tontolo izao ! Andriamanitra no alohan’ny zavatra rehetra, alohan’ny olona rehetra… ka alohako ihany koa. Ny fiheviny no tsara indrindra, ny toroheviny no tokony hohenoiko. Eo amin’ny fampianarany, voarakitra ao amin’ny Baiboly, no ahafahako manorina ny fiainako araka ny maha mpino ahy.
Mino an’Andriamanitra, manome Azy ny toerana voalohany, manolotra ho Azy „fanati-piderana…, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany” (Hebreo 13:15) : izany no fomba ahafahantsika manome haja Ilay Mpahary sady Andriamanitra Mpamonjy antsika.
(tapitra)