Alahady 29 Aogositra 2021

(Hoy Jesosy :) Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44

Tsy manan-tahotra ny fitiavana ; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra. 1 Jaona 4:18

 

Tia ireo izay manenjika antsika

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

Taona vitsivitsy lasa izay, indray alahady maraina tany Roumanie, dia nosamborina ity kristiana iray antsoina hoe Joseph Ton. Ny ampitso dia nanomboka ny fakàna am-bavany. Nony mitataovovonana dia niditra ny jeneraly iray, nibaiko ireo roa lahy mpanadina mba hivoaka. Dia nanomboka nikapoka an’i Joseph teo amin’ny tavany sy ny lohany izy, ary tsy nijanona raha tsy reraka.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niverina ilay jeneraly. Tsy maintsy nandao ny efitra ireo mpanadina, ary nanampo ny ho voakapoka indray i Joseph. Nefa nipetraka ilay jeneraly ary nilaza fa te hiresaka aminy. Hoy i Joseph namaly : „Te hanao azafady aminao aloha aho”. Gaga ilay jeneraly, nijery azy. Izy no nikapoka an’i Joseph, fa tsy ny mifamadika amin’izany ! Nilaza taminy i Joseph fa niverina nieritreritra io andro nikapohana azy io : „Tsaroako fa tamin’io herinandro io izahay dia nankalaza ny fahatsiarovana ny Fijalian’i Kristy. Nanenina aho, nikiakiaka rehefa nokapohinao, satria ho ana kristiana dia tsy misy zavatra mahasambatra mihoatra noho ny mijaly toy ny nijalian’ny Tompony. Raha ny marina, dia ny fanomezana sarobidy indrindra tamin’ireo noraisiko hatrizay no natolotrao. Misaotra betsaka !”

Nilaza tamin’ilay jeneraly koa i Joseph hoe nanomboka nivavaka ho azy sy ny ankohonany.

Tohina mafy ilay jeneraly ka avy hatrany dia nanao azafady taminy. Tatỳ aoriana kely izy dia nandray anjara lehibe tamin’ny fanafahana an’i Joseph. Nahita zavatra mbola tsy hitany hatrizay izy, dia hoe ilay olona nokapohiny no nivavaka ho azy sy ny ankohonany.

Manafaka antsika amin’ny tahotra ny Tompo, ary manome antsika fitiavana ny fahavalontsika.