Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy ; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio. 2 Timoty 2:22

Aza mety hofitahina ianareo ; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara. 1 Korintiana 15:33

 

Isika sy ny fakam-panahy

Amin’izao vanimpotoana iainantsika izao dia manjary miankina amin’ny olona tsirairay ny atao hoe tsara sy ratsy. Ary tandindomin-doza ny kristiana hanaiky ny fomba fanao sy fisainan’ny fiarahamonina misy antsika. Navelan’ny maro tsikelikely ho eny an-jorom-bala ireo soridalana ara-pitondrantena nekena, izay avy amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Mba tsy hahavoatarika ny mpino hanao toy izany koa, dia tokony hampidirin’izy ireo ao an-tsainy ny fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra sy ireo ohatra omeny.

Josefa, rehefa nentina lavitry ny rainy sy namidin’ny rahalahiny ho andevo, dia nanjary mpanapaka lehibe tao an-tranon’i Potifara tompony. Nahamarika i Potifara fa niroborobo avokoa izay rehetra nampandraiketiny azy, noho ny fitahian’Ilay Andriamanitr’i Josefa. Irery i Josefa tany Egypta, firenena tsy fantany, ary lavitry ny fianakaviany, tanora sady tsara tarehy, ka notaomin’ny vadin’i Potifara isanandro hijangajanga (Genesisy 39). Ahoana no hialany amin’ny fandrika harato nananontanona azy kokoa hatrany ? Nandosirany lavitra io vehivavy io, toy ny fandositra menarana, nefa koa toy ny fihazakazahana ho eo an-tongotr’i Jesosy Mpamonjy azy, mba hahazo fanafahana sy hanana fialofana azo antoka. Ny hany fihetsika hendry mba hahatonga ho mpandresy, dia ny mandositra ny ratsy mba hikatsahana ny tsara miaraka amin’i Jesosy. Tenenin’ny Baiboly isika hoe tokony hitoetra ho madio, satria mahasoa antsika izany, ary mbola azo atao ankehitriny. Ndao horaisina ny ohatra nomen’i Josefa sy ny tsiambaratelony :

Mandositra ! Aoka isika hampihatra izany amin’izay rehetra mitady hitondra antsika ho amin’ny fakam-panahy, na eritreritra izany, na zavatra vakina, na hira, horonantsary, fiarahana mampiahiahy …

Mikatsaka izay marina ! Aoka hangatahintsika isanandro Andriamanitra mba hanampy antsika hanatanteraka izany, ary aoka isika hamaky ny Teniny.