Talata 31 Aogositra 2021
Jehovah no Mpiandry ahy. Salamo 23:1
(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho. Jaona 10:14
Taona vitsivitsy lasa izay, tao amin’ny Tsenaben’ny boky tao Prague (Repoblika tchèque), dia nanatona ny trano hevan’ny Baiboly ity mpitsidika iray ary niteny hoe : „Tsy mino mihitsy aho hoe misy Andriamanitra ! Tsy mahafantatra ny Baiboly aho”. Hoy ilay mpiandraikitra ny trano heva taminy : „Tsy fantatrao izany ny Salamo 23 ?” Tena gaga anefa izy, satria notanisain’ilay mpitsidika taminy ilay salamo manontolo, hainy tsianjery !
Mahafantatra io lahatsoratra io ilay mpitsidika, nefa ve izy tena afaka milaza fa Jehovah no Mpiandry azy ? Tsia, satria lazainy ho tsy misy Andriamanitra. Ny miresaka an’Andriamanitra mantsy dia midika fa mino Azy, Ilay ambonin’ny zavatra rehetra. Raha miteny aho hoe : „Ny Tompo no Mpiandry ahy”, dia manambara fa mahafantatra ny Tompo Jesosy ho Ilay namonjy ahy, mamelona ahy, mampahery ahy, miaro ahy…
Davida, izay nanao io salamo io, dia nitarika andian’ondry, ka mahafantatra fa ny ondry dia miraiki-po amin’ny mpiandry azy ; mitoetra eo ambany fiarovany ny ondry, manaraka azy hatraiza hatraiza, ary tsy manana ahiahy raha eo akaikiny. Davida dia niaina fifandraisana toy izany tamin’Ilay Andriamaniny, ary manambara izany amin’ny alalan’io sarinteny io.
Ho antsika ankehitriny, Ilay antsoin’i Davida hoe „Jehovah” dia Jesosy Kristy, ny Tompo, Ilay velona, Ilay „Mpiandry ondry lehibe” (Hebreo 13:20), Ilay „Mpiandry Tsara”. Fantany ny tsirairay amin’ireo izay matoky Azy sy mivavaka aminy.
Ity Salamo 23 ity dia iray amin’ireo lahatsoratra maro mahafantatra indrindra ao amin’ny Baiboly, ary mpino tsy hita isa no efa nahazo fampaherezana rehefa namaky azy. Hasesintsika dinihina tsirairay ireo andinin’io salamo io, ao amin’ny pejy any aoriana, isaky ny talata.