Asabotsy 9 Oktobra 2021

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy. Matio 6:33, 34

 

Tsy an’asa

„Amin’alahelo lehibe no tsy maintsy isarahanay aminao. Fantatrao ny toejava-mitranga ankehitriny, ny fiovan-drafitra…”

Dia indro fa voaroaka aho.

Nivady vao haingana izahay, bevohoka ny vadiko, ary ho matroka ny hoavinay. Tsy ela dia nifanesy ny antso an-tariby, fangatahana asa, valinteny mandà hatrany. Rehefa nandeha teny ny andro, dia fihetseham-po samihafa no nameno ahy : fikomiana, fangidiana, hakiviana, tsy faharetana, fanantenana…

Izahay mivady dia samy efa nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjinay manokana. Noho izany dia manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra izahay, ka efa milamina, eo aminay, ny olana momba ny fahafatesana sy ny any ankoatra.

Saingy teo hatrany ny fanontaniana, teo amin’ny toerana nisy anay : ahoana no haha tafavoahanay ? Tena sarobidy taminay ny Baiboly sy ireo fampanantenany, ny vavaka ataona kristiana hafa, ny fanampiany ara-toe-tsaina sy ara-panahy. Avy eo Andriamanitra dia niditra an-tsehatra tamina fomba hafa. Nanoro lalana ahy Izy tamin’ireo fikarohana nataoko, ary nanome vahaolana tamin’ny fotoana tsy nahitako lalana hafa intsony. Afaka nihazona ny asa maha mpanao sary ahy aho, ary nahita asa tsy miovaova.

Tena nilaina izany zavatra niainanay izany, satria nahafahanay nanamarina fa mamaly vavaka Andriamanitra ; ary rehefa nametraka taminy ny fitantanana ny fiainanay izahay, dia afaka natoky Azy ny amin’izay nilainay isanandro.

Roland C.