Alahady 10 Oktobra 2021

Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetrako, na mandeha aho, na mandry ; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. Salamo 139:1-4

 

Tompo ô, Ianao mahalala ahy

Tompo ô, Ianao mahafantatra ahy hatrany amin’ny lalina indrindra,

Tsy misy fihevitra miafina aminao.

Fantatrao ny misy ahy sy izay rehetra ataoko,

Tsy matory Ianao, na oviana na oviana !

Raha mbola tsy miteny akory aho, dia efa fantatrao ny zavatra rehetra.

Hitanao ny alehako, hitanao izay tadiaviko.

Fantatrao raha mitomany aho na mihomehy,

Tsy matory Ianao, na oviana na oviana !

 

Raha mandositra aho, dia arahinao amin’ny fitiavanao.

Tsy afa-miaina aho raha tsy eo ny fitiavanao.

Tompo ô, tsy matahotra na inona na inona aho, fantatro fa mihazona ahy Ianao,

Miahy ny fiainako Ianao.

Eny amin’ny habakabaka sy amin’ny alina, raha mandositra aho

Any ambany ranomasina, any ambanin’ny tany ; raha very aho,

Tsy misy toerana manafina ahy, hitanao hatrany ny misy ahy,

Hitanao aho, na aiza na aiza.

 

Tompo ô, na mipetraka aho, na mitsangana,

Dia miaraka amiko sy mitarika ahy ny tananao.

Aorianako sy eo alohako, dia manana ny Fanahinao aho,

Tsy matory Ianao, na oviana na oviana !

Talohan’ny androko voalohany, dia efa hitanao aho,

Ny androko tsirairay dia fantatrao,

Ary na inona na inona mitranga, dia fantatro fa eo Ianao,

Tsy matory Ianao, na oviana na oviana !

 

Jehovah Andriamanitra ô, manakaiky ahy Ianao,

Manodidina ahy, eo mandrakariva.

Eo anilako Ianao, Jehovah Andriamanitra ô !

Tsy matory ny fitiavanao, na oviana na oviana !

Jan Groth (araka ny Salamo 139)