Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Raha reraka amin’ny andro fahoriana ianao, dia kely ny herinao. Ohabolana 24:10

Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Tsy misy mandeha amin’ny laoniny !

Na dia Mpamonjintsika aza Jesosy, tsy kivy ihany ve isika indraindray, manoloana fahasahiranana na fahadisoam-panantenana miavosa, ary ketraka mihitsy aza, ka mihevitra hoe tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny sy hoe tsy ho tafavoaka mihitsy isika ? Toa tony dia tony isika rehefa mizotra tsara ny zavatra rehetra, nefa rehefa mivadika ho ratsy ny fandehan-javatra, rehefa tonga ny fotoana sarotsarotra kokoa, dia mihozongozona ny finoantsika ary manontany tena isika hoe mba mikarakara antsika ve Andriamanitra. Mametra-panontaniana amin’ny tenantsika isika, mikaroka ny anton’ny zavatra manjo antsika ; mameno ny saintsika izany ary mikiky ny herim-panahintsika : „Fa inona no nataoko, no dia mitranga amiko izao ?”

Niaina toejavatra toy izany ny patriarka Jakoba. Nahatsapa hakiviana lalina izy, ary fangidiana mihitsy aza, ka nahateny hoe : „Izaho ihany no zoin’izany rehetra izany” (Genesisy 42:36). Nikorontanan-tsaina mafy koa ny mpianatr’i Jesosy, ka nahatonga ny Tompo hanontany azy ireo hoe : „Aiza ny finoanareo ?” (Lioka 8:25). Ary io tokoa no fanontaniana tokony hipetraka ! Matetika loatra mantsy ny finoantsika no miankina amin’ny toejavatra miseho eo amin’ny fiainana na amin’ny fihetsehampontsika, fa tsy miorina ao amin’Andriamanitra.

Aza alaim-panahy isika hieritreritra fa manohitra antsika avokoa ny zavatra rehetra. Aleo mianatra hahita ny tanan’Andriamanitra eo amin’ny toejavatra na inona na inona ; Izy no mifehy ny zavatra rehetra, anisan’izany ny zava-tsarotra manjo ny zanany. Raha mba tsy voafetra loatra mantsy ny fahalalanantsika ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ho takatsika tsara kokoa fa ireo fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana, raha ny marina, dia anisan’ny singa mahafeno ny drafitr’Ilay Andriamanitsika, araka ny fitiavany mitsinjo ny zanany, tsy misy fetra ary tsy miovaova.