Talata 12 Oktobra 2021

Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho. Salamo 23:6

(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko, misy fitoerana maro… Ho avy indray (Aho) ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2, 3

 

Famoaboasana ny Salamo 23 (7)

Ao antranon’ny Tompo

Lalan-kely mideza, lohasaha maizina, fahavalo… tsy miresaka izany rehetra izany intsony i Davida. Matoky izy, mijery ny eo aloha ary manana fahazoana antoka roa sosona : ny fahamoram-panahin’Ilay Mpiandry azy no hiaraka aminy mandrakariva, ary amin’ny farany dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah izy. Rehefa mijery ny any aoriana ny mpino, dia mahatsapa ny fitiavan-dehibe nitondran’ny Tompo azy. Ary afaka manambara izy fa mbola hohodidinin’io fitiavana io mandrakariva. Ahoana moa no ahafantarany izany ? Satria ny Tompo nampanantena fa homba azy hatramin’ny farany, mandritra ny androm-piainany rehetra (Filipiana 1:6 ; Matio 28:20). Hanampy ny mpino Izy, ary hitsinjo azy mandritra ny dia lavitra ataony mandra-pahatonga any amin’ny tanjona farany !

Tanjona inona ? Ho an’i Davida, dia ny tranon’i Jehovah izany, ilay tempoliny etỳ an-tany. Ho antsika, dia ny tranon’ny Ray, ny lanitra, ny mandrakizay. Any ny Tompo no nanomana toerana ho antsika, ary haka antsika mba hiaraka aminy ho mandrakizay. Any isika hiaraka amin’Ilay Mpiandry antsika tetỳ an-tany. Ho fitsaharana lavorary izany, ary tsy hitsahatra intsony.

Any amina salamo hafa i Davida dia miresaka ny hatsaran’i Jehovah ao an-tempoliny (Salamo 27:4 ; 63:2 ; 65:4), ary tsy sasatra mibanjina izany. Ho antsika, ny Tompo dia te hampahita antsika ny voninahiny ao an-tranon’ny Ray, araka ny vavaka nataony, hoe : „Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy” (Jaona 17:24).

Eny, ny lalana dia mifarana ao amin’io tany feno voninahitra io,

Tany amirapiratan’ny hatsaranao, araka ny maha Andriamanitra Anao,

Ry Mpamonjy nandresy !

Fahasambarana tsy manan-tsahala no ho anay any, hitsaoka, homem-boninahitra,

Ary hitovy aminao mandrakizay, ry Jesosy !