Alarobia 13 Oktobra 2021

(Hoy Jesosy :) Ianareo… ho vavolombeloko… hatramin’ny faran’ny tany. Asan’ny Apostoly 1:8

 

Tany anaty ala mikitroka

Indray andro, nisy evanjelista indiana iray notafihin’olon-dratsy ; notampenan’izy ireo ny masony ary notaritaritiny hatrany anaty ala mikitroka izy. Rehefa tonga teo amina toerana mazavazava izy ireo, dia nesorina ny tampimasony, ka lehilahy dimampolo teo ho eo no hitan’ilay evanjelista, nilasy teo. Nokendren’ilay lehiben’izy ireo tamin’ny basy poletany izy, sady norarany tsy hitory ny Filazantsara intsony, ary nomeny tsiny hoe manodinkodina ny mpiray tanindrazana aminy, hanaraka andriamanitra vahiny, fa tsy hiady ho an’ny fanafahana ny olombelona. Tsy natahotra ilay evanjelista, nanambara an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Namaly azy ilay lehibe hoe :

— Afaka mamono anao aho, ary tsy hisy olona afaka hanampy anao.

— Marina izany, afaka mamono ahy tokoa ianao. Nefa aho manana fiadiana mahery kokoa noho ny poletanao.

— Fa tsy nosavainareo angaha izy ? hoy ilay lehibe, nanontany ny olony.

— Nosavainay ka, fa tsy nisy na inona na inona any aminy, hoy ireo, namaly.

— Tsy karazana fiadiana toy ny anao no resahiko, hoy ilay kristiana, nanazava. Ary tsy hiasa ny fiadiako, raha tsy efa avy nitifitra ahy ianao !

— Fa fiadiana inona izany ? hoy ilay lehibe, tsy nino.

— Afaka mamono ahy ianao. Saingy olona marobe no hahafantatra izany. Dia hiteny izy ireo hoe : „Angamba tena matanjaka ny finoan’ny kristiana, matoa misy misionera vonona ho faty mihitsy ho an’izany ! Dia hisy olona maro hino an’i Jesosy Kristy. Izany no fiadiako”.

Nieritreritra teo ilay lehibe. Dia nampidininy ny basiny, nony farany, ary navotsony ilay evanjelista.