Alakamisy 14 Oktobra 2021
Eo ambany fiarovan’ny heriny hatrany hatrany ianao. Deoteronomia 33:27 (DIEM)
Ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’Andriamanitra. Matokia Azy mandrakariva ianareo… Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:7, 8
Izaho hatoky Azy. Hebreo 2:13
Nisy mpitsangantsangana iray tsy malina, tratran’ny alina ka nianjera tao anaty tevana. Nandritra ny fianjerany dia nahahazona rantsan-kazo iray izy ary tafahantona teo, nisefosefo, feno tebiteby, ary nihevitra hoe tsy hitsahatra mihitsy izany. Nony farany dia tsy nahafikitra intsony ny tanany efa nikainkona. Namoy fo izy, nanao veloma ny aina, dia nianjera… Dimampolo santimetatra teo ambany, dia nitehi-tany ny tongony ! Tsy fantany hoe akaiky tany toy izany izy.
Hitantsika ao amin’io olona io ny tenantsika. Mitebiteby isika, mikofokofoka, mitsipatsipaka, miezaka hamaha ireo olana mahazo antsika. Hadinontsika ny mitoky amin’Andriamanitra, Izay tena eo akaiky eo.
Lotera hono dia nankeo am-baravarankely rehefa hariva, ary niteny hoe : „Andriamanitro ô, tontoloko manokana ve izao sa tontolonao ? Fiangonako sa fiangonanao ? Raha tontolonao sy fiangonanao, dia miangavy anao aho, mba tsinjovy izy ireo. Raha izaho mantsy, dia efa reraka aho ka handeha hatory. Rahampitso indray, ry Andriamanitro”. Afaka mamaky ny Salamo 91 isika, rehefa mieritreritra ireo zavatra mampatahotra antsika manokana : „… Andriamanitro, Izay hitokiako… Tsy hatahotra ny horohoro nony alina [aho], na ny zana-tsipìka manidina nony andro”. Ary ampiantsika hoe : na ny tsy fananana asa, na ny fisotroan-dronono, na ny aretina, na ny fahasembanana, na ny homamiadana, na ny ady, na ny fahafatesana… Ho eo aminy aho, raha ory, ary Izy hiaraka amiko.
Tsia, tsy hatahotra na inona na inona aho.
Na i Satana na izao tontolo izao
Dia tsy haharombaka ahy teo an-tanan’Ilay Mpiandry tsara.
Eo aho no migoka am-piadanana ny fitiavany lalina ;
Eo aho no voaaro ho mandrakizay amin’ny loza.