Zoma 15 Oktobra 2021
Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo ; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Jakoba 4:6-8
Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. Jakoba 4:10
Teo amina tsena iray, dia nisy lehilahy nanatona ny trano heva mampiranty Baiboly. Rehefa tafaresaka izahay dia hoy aho taminy :
— Fantatrao ve fa Andriamanitra dia mamela heloka ny olona rehetra izay miaiky aminy ny fahotany ?
— Tsy mba nanao ratsy mihitsy aho, hoy izy namaly.
— Tsy mba nandainga mihitsy ? tsy nangalatra ? tsy nankahala ? tsy nisoloky ?
— Tsia ! Na oviana na oviana !
— Tena tsara izany ! Angamba ianao izao tena mirehareha fa tsy mba nanota mihitsy !
— Ie, tena mirehareha tokoa !
— Hay ! Izay no fahotanao voalohany : ny avonavona !
Dia nihomehy ilay olona.
Tsy fahotana kely anefa ny avonavona. Io no fahadisoan’i Adama sy Eva, izay naniry hitovy amin’Andriamanitra. Ary talohan’izy ireo, io koa no fahotan’i Satana, ilay anjelin’ny mazava, izay nikomy tamin’Ilay Mpahary azy : te hitovy aminy izy, ary te hitsaohana toa andriamanitra (Isaia 14:12-15).
Mafy ny miaiky fa ny avonavona dia manakana tsy hifandraisana amin’Andriamanitra. „Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po” (Ohabolana 16:5).
Nefa Andriamanitra dia tsy mitady afa-tsy ny hamela ny fahotantsika, raha miaiky ny avonavontsika isika. Lazain’ny Teniny fa miavonavona isika, nefa tsy hoe mba hiampangany antsika, fa :
— hanampiany antsika hahatakatra ny olana fototra mahazo antsika : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza ; tsy misy izay mahafantatra, tsy misy izay mitady an’Andriamanitra” (Romana 3:10, 11).
— hanampiany antsika hahita ny fomba hanomezany antsika famelan-keloka feno : „Andriamanitra… manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”. „Fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).