Asabotsy 16 Oktobra 2021
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Kolosiana 3:16
Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany, ka mamitaka ny tenanareo. Jakoba 1:21, 22
Ny olona sasantsasany dia manana fitadidiana tena tsara : Kyrosy mpanjakan’i Persia, hono, dia nahatadidy ny anaran’ny miaramila rehetra tao amin’ny tafika goavana natsangany. Nefa na toa inona na toa inona fahafaha-mitadidy ananantsika, dia saika manao sivana mandrakariva ny saintsika. Araka izany dia mora amintsika ny manisa sy mitadidy ireo tsy fahafaham-po sy fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainantsika andavanandro, nefa vetivety foana isika dia manadino ireo fahadisoantsika sy ny lesona tokony ho noraisintsika ! Nomen’i Jesosy tsiny momba izany ny mpianany : „Efa mafy va ny fonareo ? Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo ? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo ? Ary tsy mahatadidy va ianareo ?” (Marka 8:17, 18). Nanindry Izy hoe : „Ampidironareo ao amin’ny sofinareo izany teny izany” (Lioka 9:44), ataovy ao amina toerana azo antoka, toy ny manidy fananana ao anaty vata, hiarovana azy amin’ny mpangalatra.
Aoka hiditra ao anatintsika ny Tenin’Andriamanitra, toy ny voa afafy ao amina tany voaasa tsara, ka afaka mamaka lalina ! Ho amin’izany dia ilaina ny miezaka hamaky azy, hahatakatra azy, ary hitadidy azy, mandra-piterany voa, izany hoe vokatra ao anatin’ny fontsika sy eo amin’ny fiainantsika.
Hisy hiteny angamba, hoe : Mamaky Baiboly ihany aho, saingy tsy mahatahiry na inona na inona, toa harona atsoboka ao anaty renirano. Feno rano izy ao, nefa raha vao tsoahina avy ao, dia indro fa foana. Raha izay, dia tohizo am-pilaminana hatrany ny famakiana azy, ary tsarovy fa na tsy nitana rano aza ilay harona, dia madio tsara, mivoaka avy ao ! Ny Tenin’Andriamanitra dia manana ny heriny manokana, araka izany maha Tenin’Andriamanitra azy izany : Teny miasa ao anatintsika izay mino (1 Tesaloniana 2:13).