Alahady 17 Oktobra 2021
Hoy Pilato taminy : Tsy miteny amiko va Ianao ? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa ? Jesosy namaly azy hoe : Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony ; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. Jaona 19:10, 11
Tsy natory Jesosy nandritra ny alina. Nalaina am-bavany imbetsaka Izy. Noesoina Izy, nokapohina, nasiana satroka tsilo teo an-dohany. Tao anatin’izany toejavatra izany dia nihevitra i Pilato fa hampitahotra Azy raha nilaza hoe : „Tsy miteny amiko va Ianao ?” Tohina ny hambom-pony, noho ity voampanga tsy niteny tsy nivolana ity. Dia nandrahona izy : „Tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa ?” Fanamparam-pahefana, fanerena ara-tsaina, izany no fiteny mahalaza ny fihetsik’i Pilato, ary mbola tena fahita matetika mandraka ankehitriny ! Maro amin’ireo mpamaky angamba no nijaly noho ny famelezana feno fanambaniana sy mandratra toy izany, nataon’olona akaiky azy na olona manana fahefana. Ary vao mainka mampangirifiry kokoa ny herisetra toy ireny, rehefa mitranga amina fotoana maha reraka. Ahoana ny fihetsika asetry an’izany ?
Mahatalanjona antsika Jesosy : „Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony”. Nolaviny ny fanindritsindriana, nolaviny ny fampitahorana, ary ny momba Azy napetrany teo am-pelatanan’Ilay Andriamaniny sy Rainy, Izay mifehy ny zavatra rehetra. Tsy niaro tena Izy, tsy nanome tsiny ilay niresaka taminy, namaly tsy naniratsira na nampiasa herisetra, nefa kosa nanambara ny marina, tamina fomba mazava sy feno fatokiana. Io fifandaharan’ny Tompo sy Pilato io angamba no tao an-tsain’i Petera, nanoratra momba an’i Jesosy hoe : „Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2:23). Ohatra tsy manan-tsahala no navelan’ny Tompo ho antsika !