Alatsinainy 18 Oktobra 2021

Hoy Jehovah tamin’i Satana : Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao ? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy, sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Joba 1:8

 

Ny kapoka faratampony (1)

Joba dia mpino niaina teo akaikin’Andriamanitra. Nitahy azy fatratra Andriamanitra, nanome azy taranaka maro sy fananana be. Nambaran’Andriamanitra an’i Satana mihitsy fa olona mahatoky i Joba.

Nefa Andriamanitra dia nanana lesona lehibe hampianarina an’i Joba. Ho amin’izany dia navelany i Satana hampihatra taminy loza amin’antambo nisesy, saingy tsy nahazo nikasika ny fahasalamany. Dia kinga erỳ i Satana namely mafy an’i Joba, ka tao anatin’ny indray andro monja dia maty ny zanany folo mianadahy ary rava ny fananany rehetra. Mendri-piderana ny fomba nandraisan’i Joba izany tranga izany, nekeny tsy nisy teny iray fanoherana akory. Resy i Satana, nefa dia mbola niverina indray ; nanitrikitrika teo anatrehan’Andriamanitra izy fa raha voakasika amin’ny fahasalamany i Joba, dia tsy maintsy hanozona an’Andriamanitra imaso imaso. Dia navelan’Andriamanitra hanisy aretina tamin’i Joba izy, saingy tsy nahazo nikasika ny ainy. Koa voan’ny vay ratsy i Joba ary nijaly satria nangidihidy mafy, hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Sarotra ny maminavina toejavatra mampahonena kokoa noho ny nanjo an’i Joba, sy toerana nifanohitra kokoa amin’ny toerany teo aloha. Ny vadiny dia vavolombelon’ny fahoriana faratampony nanjo azy. Feno fangidiana izy ary nieritreritra hoe : hatao inona koa ny hoe hatahotra an’Andriamanitra ?

Teo i Satana no nanararaotra ny fahoriana mafy nanjo an’i Joba, ka namely azy tamin’ny kapoka faratampony. Nosisihiny hevitra ny vadin’i Joba ka niteny taminy hoe : „Mahafoiza an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty” (Joba 2:9). Nanantena i Satana fa hahazo amin’izay ny notadiaviny, dia ny hitarika an’i Joba hikomy sy hanozona ny Andriamaniny.

Nefa teo koa dia mbola nijoro tsara hatranyi Joba. Nomeny tsiny tam-pahalemem-panahy ny vadiny, nanao izany soso-kevitra mahonena izany, ary izy nanoa, tsy nanonona teny tsy mendrika momba an’Andriamanitra.

(hitohy rahampitso)