Alarobia 29 Desambra 2021

Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Lioka 10:20

 

Voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ve ny anaranao ?

„Nanatona ny toerana fanoratana ny mpandeha aho, mba hanamarina ny pasipaoroko. Nikaroka ny anarako tao amin’ny lisitry ny mpandeha ilay tompon’andraikitra, nefa tsy nahita izany. Maro noho ny isan’ny toerana ny tapakila namidy. Voatery nanaiky ny tsy hody any amiko aho, tamin’io hariva io.

Io trangan-javatra io dia mampahatsiahy ahy lisitra iray hafa, izay ao amin’ny „bokin’ny fiainana”. Indray andro Jesosy dia naniraka ny mpianany. Rehefa tafaverina izy ireo, dia faly nanambara taminy ny fahombiazany. Hoy ny Tompo namaly azy ireo : „Mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo”.

Ry kristiana namana, inona no mahasambatra antsika kokoa ? Ny fahombiazantsika, sa ny maha voasoratra ny anarantsika ao amin’ny bokin’Andriamanitra ? Nefa ahoana moa ny anarako no afaka ho voasoratra any an-danitra e ? Raha toa aho ka mino an’i Jesosy, Izay niteny hoe : „Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47). Aza mianina amina fahalalana manjavozavo an’i Jesosy. Fa minoa an’i Jesosy, izany hoe matokia Azy, miantoraha amin’ny fitiavany, satria te hamonjy anao Izy. Dia ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaranao, satria Andriamanitra manokatra ny varavaran’ny lanitra, hidiran’ireo izay manokatra ny fony mba hidirany”.

Araka an’i Lawrence Darmani

Tompo ô, tsy ny harena no ifikirako,

Na ny volafotsy na ny volamena ;

Aleoko mahazo antoka fa hiditra any an-danitra,

Aleoko miara-miditra amin’ny voavonjy rehetra.

Ao anatin’ny bokin’ny fanjakanao,

Eo amin’ireo pejy madio,

Dia fantatro, ry Jesosy Mpamonjiko,

Fa voasoratra ny anarako.