Alakamisy 30 Desambra 2021

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

 

Ny Baiboly : inona izany, aminao ?

„Manana fanambarana roa isika, dia ny Fahariana sy ny Soratra Masina. Nitolagaga hatrany aho nandinika, efa nandritra ny enimpolo taona, ilay boky mahafinaritra momba ny Fahariana. Ary izany fandinihana lavitra ezaka izany dia vao mainka nanamafy ny antoka ananako, hoe mifanaraka tanteraka ireo loharanom-panambarana roa ireo.”

Henri Devaux, biôfizisiana frantsay

„Ny Baiboly dia nanohana sy namelona ny finoako, ary nanamafy azy. Ny famakiako azy indray, tamina fijery vaovao, dia nahafahako nahita fa boky tena manavao tanteraka izy. Ny Baiboly no nampahery ahy mandrakariva, tany am-pahababoana.”

Jean Paul Kaufmann, takalonaina fahiny tany Liban

„Ny Baiboly dia isan’ireo boky mahagaga indrindra, eto amin’izao tontolo izao : isaky ny manokatra azy, dia mamirapiratra tampoka indray, misy hazavana vaovao, ny ampahany mahazatra efa novakina in-droapolo maromaro.”

Thomas W. Wilson, Filohan’i Etazonia

„Raha tsy misy ny Soratra Masina, izay tsy manana antony afa-tsy Jesosy Kristy, dia tsy mahafantatra na inona na inona isika, ary tsy mahita afa-tsy haizina sy safotofoto, raha ny momba ny toetran’Andriamanitra sy ny momba ny toetrantsika.”

Blaise Pascal, matematisiana sady filôzôfa frantsay

Ny Baiboly, fanambaran’Andriamanitra mba ho famonjena ny olona, soridalana ara-pitondrantena, loharanon-kery ao anatin’ny zava-tsarotra indrindra, namana isanandro… Izany izy taloha, ary mbola izany hatrany ankehitriny, ho an’olona an-tapitrisany. Androany izy dia afaka ho izany koa, ho anao.