Zoma 31 Desambra 2021

Tompo ô, … Andriamanitra Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Salamo 90:1, 2

 

Fahafenoan’Andriamanitra

Voninahitra, haja, fahefana,

Hery, fankatoavana,

Ho an’Ilay Andriamanitra lehibe mandrakizay,

Izay nahary ny zavatra rehetra.

 

Any aminao, ry Andriamanitra hany hendry,

No iakaran’ny fanajanay,

Eny, amin’ny vanimpotoana rehetra mifandimby,

Ary ho mandrakizay.

 

Voninahitra, haja, fahendrena,

Fahefana sy harena,

Ho an’i Jesosy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra

Izay namoha ny lanitra hidirantsika.

 

Ndao hampahatsiaro ny voninahitra,

Ny asam-panonerana,

Ary ny fandresen’

Ilay Zanaka masin’Andriamanitra.

 

Ao amin’ny habakabaka midadasika,

No aoka hisandratra ny feontsika hoe :

Mendrika fiderana sy fanajana Ianao,

Ry Tompo Jesosy !

 

Endre, Ianao Izay tia anay,

Ny fitiavanao faratampony

No antom-pideranay

Ho mandrakizay.

Amen !

Ruth Demaurex