Asabotsy 1 Janoary 2022

Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô ; hoy izaho : Andriamanitro Ianao. Eo an-tànanao ny androko. Salamo 31:14, 15

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3

 

Eo an-tanany ny androntsika

Mampihetsi-po ka mampandini-tena antsika izao fiampitana amin’ny taona „miampy iray” izao.

„Ry fotoana ô, ampiatoy anie ny fanidinanao !” hoy ilay poety. Faniriana mafy, nefa tsy afaka ho tanteraka… Misosa tsy hay sakanana ny taona, isika mandalo !

Misy tenin’ny Baiboly mampahatsiahy izany : „Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa [iraka mpihazakazaka, mitondra ny tenin’ny mpanjaka fahiny] ; lasa ireny”. Tsy vitan’ny hoe mandalo ireny, fa mandeha mihahaingana kokoa hatrany, arakaraka ny fitomboana taona. „Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko, ka lany tsy misy fanantenana”, hoy i Joba (9:25 sy 7:6).

Fotoana voaisa, voafatra ny fiainantsika, hoy ihany ny Baiboly : „Indro, efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko ; ary ny fiainako dia toy ny tsinontsinona eo anatrehanao” (Salamo 39:5). Any am-parany, inona no ho nameno ny fiainako ? Ary indrindra indrindra, ahoana ny ho fahitan’Andriamanitra izany ?

Koa ilaina ny miato kely : „Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry” (Salamo 90:12). Ndao hisaintsaina izany vavak’i Mosesy izany, ny hevi-dalin’ny fiainantsika, ndao koa hieritreritra ny mandrakizay.

Fanomezana noraisina avy amin’ny tanan’Andriamanitra ny fiainantsika eto an-tany, nefa dia mbola misy zavatra lehibe lavitra noho izany, nomeny antsika : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Ny fiainana mandrakizay dia omena izay mino ny Zanak’Andriamanitra, tonga mba hamonjy azy eo amin’ny lalana mitondra ny olona rehetra ho any amin’ny fahaverezana.

Hanampy anao hanisa ny andronao ity alimanaka ity, nefa dieny anio dia miantso anao Andriamanitra, Izay tia anao, hihazona ny tena atao hoe fiainana mandrakizay.