Alahady 9 Oktobra 2022

Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra ; hapetrako ao aminy ny Fanahiko. Matio 12:18

 

Jesosy mpanompo, Jesosy Zanak’Andriamanitra

Ny filazantsara nosoratan’i Marka dia maneho indrindra an’i Jesosy amin’ny endrika mpanompo. Feno fandavantena sy fiantrana Izy, ary nandehandeha teny rehetra teny, nanao soa sy nanamaivana ny fijalian’ny zavaboariny. Nefa hatrany am-boalohany dia efa napetrak’Andriamanitra ny maha feno voninahitra an’io mpanompo manetry tena io. Ity filazantsara ity dia mirakitra fijoroana ho vavolombelona mazava, nataona vavolombelona isan-karazany, ho voninahitr’Ilay Zanak’Andriamanitra nanjary mpanompo :

— Marka 1:1 : „Ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra”. Andriamanitra Fanahy Masina dia manindry ny voninahitra manokana ananan’Ilay horesahiny amintsika.

— Marka 1:11 : Vao vita batisa Jesosy, ary Andriamanitra Ray no nanambara avy any an-danitra hoe : „Ianao no Zanako malalako”.

— Marka 9:7 : Niakatra tany an-tendrombohitra avo Jesosy, ary vao avy niova tarehy teo anatrehan’ny mpianany. Niseho teo i Mosesy sy Elia, ary Andriamanitra Ray dia nanamafy indray hoe : „Ity no Zanako malalako, Izy no henoy”.

— Marka 14:61, 62 : Ny mpisoronabe dia nanontany an’i Jesosy raha Izy no „Kristy, Zanaky ny Isaorana”. Namaly tsotra Jesosy hoe : „Izaho no Izy”.

— Marka 15:39 : Vao avy nandre ny antso mafy nataon’i Jesosy talohan’ny nialany aina ilay kapiteny romana. Tohina izy, ka hentitra nilaza hoe : „Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io”.

Jesosy, mpanompo sady Zanak’Andriamanitra, fanetrentena lalina ary voninahitra toy inona re izany !