Alatsinainy 10 Oktobra 2022
Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy, sady nitomany dia nitomany. 1 Samoela 1:10
Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako ; dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 1 Samoela 1:27
— Hana dia tia an’Andriamanitra (1 Samoela 1). Tena tian’ny vadiny tokoa izy, saingy nanana alahelo lehibe : tsy nanan-janaka izy. Teo amin’ny manodidina azy dia nisy vehivavy iray naneso azy noho izany. Indray andro izy dia tsy nety nisakafo ary tsy nitsahatra nitomany. Nanontany azy ny vadiny, saingy nikaviavia ka tsy nahatakatra ny nanjo azy. „Nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy, sady nitomany dia nitomany”. Nandinika azy i Ely mpisorona, ka nihevitra azy ho mamo, ary nananatra azy mafy. Navesatra tamin’i Hana ny tsy fahatakaran’i Ely ny manjo azy, taorianan’ny tsy fahatakaran’ny vadiny. Nefa fantany fa hihaino azy ny Andriamaniny. Nivavaka izy ary nitony ny fony. Namaly vavaka azy Andriamanitra, ka i Hana dia hanjary renin’i Samoela, mpaminany mahasoa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.
— Elisa mpaminany dia matetika nampiantranoana vehivavy iray sy ny vadiny (2 Mpanjaka 4:8-37). Tsy nanan-janaka izy ireo, nefa nambaran’i Elisa taminy fa homen’Andriamanitra zanaka lahy tsy ho ela. Teraka ilay zaza, nihalehibe, nankamamian’ny reniny fatratra. Indray andro dia narary io zanany io, ary afaka ora vitsivitsy dia maty teo am-pofoany. Nampandriany teo amin’ny farafaran’ilay mpaminany ny zaza, ary tsy nilaza tamin’ny vadiny akory izy, fa lasa nitady an’i Elisa, izay nahatsikaritra ny fangidiany. Nomen’Andriamanitra azy io zaza io, na dia tsy nangatahiny akory aza. Ny hakany azy ankehitriny ve no antony ? Nihaino azy i Elisa, nisisika ilay vehivavy mba hankanesany ho any amin’ilay zaza. Natsangan’i Elisa ho velona indray izy, ary natolony an-dreniny.
Tao anatin’ny fangidiany, ity vehivavin’ny finoana ity dia tsy niteny afa-tsy tamin’i Elisa, solontenan’Ilay Andriamanitra hany afaka manampy azy, ary nahazo valiny ny fikirizan’ny finoany.
(amin’ny heriny ny tohiny)