Talata 11 Oktobra 2022
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Romana 15:13
„Ny marina dia hoe tsy mahafantatra na inona na inona isika, momba ny talohan’izao tontolo misy antsika izao, na momba ny aorianan’ny fahafatesantsika. Afaka mino isika. Afaka manonofy. Afaka manantena. Tsy afaka mahalala isika”, hoy ny nosoratan’ny filôzôfa Jean d’Ormesson, teo amin’ny faramparan’ny fiainany, ao amin’ilay boky „Toa hiran’ny fanantenana”, izay ilazany fa manantena an’Andriamanitra izy. Aminy, ny olombelona, amin’ny sainy sy ny fanahiny, dia tsy afaka hahazo antoka na amin’inona na amin’inona. Ny fanantenana no hany mitoetra, nefa mahavelona ve izany ?
Ny kristiana kosa dia mahafantatra. Manana fahazoana antoka izy, eny fa na momba ny fanantenany aza. Afaka mitoky tanteraka izy, tsy amin’ny fisaintsainany anefa, fa amin’izay lazain’Andriamanitra : azo antoka ireo fampanantenan’Andriamanitra. Manatanjaka ny finoany ny famakiana ny Baiboly. „Ny fanantenana… izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina, sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra… [ao amin’ny] nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika” (Hebreo 6:18-20). Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy noho ireo fahadisoantsika, nefa dia nitsangana tamin’ny maty. Efa any anatrehan’Andriamanitra Izy, olona nomem-boninahitra. Ho avy Izy haka ny mpino rehetra mba handray azy ireo hiaraka aminy sy hampiditra azy ao amin’ny toerana efa nomaniny ho azy ireo, ao an-tranon’ny Ray. Voafafa, tsy manan-kery intsony any ankoatra ny fanantenan’ny tsy mino, izay tsy miorina amin’ny finoana ireo fampanantenan’Andriamanitra. Ho an’izay mitoky amin’Andriamanitra kosa, ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, dia mihoatra noho izay atao hoe hiran’ny fanantenana. Ny Baiboly dia mampiaina antsika, dieny ankehitriny, ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, izay „fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17).