Alarobia 12 Oktobra 2022

Raha hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy : Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao. Marka 12:34

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:7, 8

 

Saika…

Farany nankanesan’i Jesosy tany Jerosalema tamin’izay. Nisy mpampiana-dalàna nahamarika ny fahendreny ka nanontany Azy hoe : „Ny didy manao ahoana no voalohany amin’izy rehetra ?”

„Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra… Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, hoy Jesosy namaly (Marka 12:28-31). Nanamafy ilay mpanora-dalàna nony avy eo, fa zava-dehibe kokoa ny tia an’Andriamanitra sy ny namana, noho ny manolotra fanatitra. Ka hoy Jesosy, namehy izany resaka izany : „Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao” (and 34).

Tsy lavitra… Inona no dikan’izany teny izany ? Tsy tena ao ve ? sa : mbola tsy ao ? na : saika tao ? Mety ho izy telo ireo miaraka. Nefa izany tenin’ny Tompo izany dia mampahery koa hoe : takatrao fa „ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” (Romana 13:10). Tsy misy dikany ny mankatò ny Lalàna nefa tsy misy fitiavana ; tsy ampy hidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany.

Hanokatra ny varavarana hidirana ao Jesosy, ny fitiavany dia hitondra Azy ho eo amin’ny hazofijaliana : hanolotra ny ainy Izy, ho avotra ho an’ny rehetra. Nanomboka teo, izay manaiky fa maty Jesosy mba hamonjy azy, dia manana ny fiainana mandrakizay, ka misokatra mba hidirany ny fanjakan’Andriamanitra (Jaona 3:3-5).

Mipetraka amiko ny fanontaniana. Raha fahalalana ara-tsaina fotsiny mantsy no ananako, momba ny fahamarinana kristiana, dia tsy lavitra aho, angamba tena akaiky, saingy mbola eo ivelany. Raha tsy mandray manokana an’i Jesosy ho Mpamonjiko aho, dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamanitra. Ao mantsy dia tsy hisy hoe „saika voavonjy”, tsy hisy „saika zanak’Andriamanitra”, fa zanak’Andriamanitra fotsiny, voavonjy noho ny fahasoavana, amin’ny alalan’ny finoana (Efesiana 2:8).