Alakamisy 13 Oktobra 2022
Nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra, manodidina ahy ; dia lavo tamin’ny tany aho, ka nandre feo nilaza tamiko hoe : Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy ? Ary izaho namaly hoe : Iza moa Ianao, Tompoko ? Dia hoy Izy tamiko : Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao. Asan’ny Apostoly 22:6-8
Io andalantsoratra io dia miresaka olona iray „nifofofofo fandrahonana sy famonoana” ireo kristiana. I Saoly io olona io, tena nanaraka ny fivavahana jiosy sy nafana fo tamin’izany, ka nanenjika mafy ireo niala tamin’ny fivavahan’ny razany. Indray andro anefa dia niseho taminy Jesosy, ka nanakana azy tampoka teny amin’ny lalany maha mpanenjika azy. Taorianan’io fihaonana io izy dia tsy ilay lehilahy teo aloha intsony.
Niova tanteraka i Saoly, ary kristiana ankehitriny, nanaiky an’i Jesosy ho Tompony. Dia nanjary nankahala azy ka nifofo ny ainy ireo mpiara-mivavaka taminy taloha, nefa vonona izy hiaritra ny zavatra rehetra, noho ny amin’ny Tompo. Nanomboka teo ireo mpianatr’i Jesosy, izay halany teo aloha, dia niahy azy tam-pitiavana. Anisan’io vondron’ny kristiana nenjehina io i Saoly, anisan’izy ireo izy. Ary nony fantatr’izy ireo fa te hamono an’i Saoly ny Jiosy, dia niray fo niaro azy tamin’izany „ny rahalahy” (Asan’ny Apostoly 9:25 ; 17:10).
Io fifamatorana io, mampiray an’i Saoly amin’ny kristiana, dia fifamatorana avy amin’Andriamanitra, fifamatorana mampiray amin’i Jesosy Kristy ny kristiana rehetra, mba ho vatana iray (1 Korintiana 12:12, 13). Izany dia tsy fiombonam-po fotsiny amin’ny maha olombelona, na firaisan-kina tsotra, fa fifamatorana iankinan’aina sy tsy hay ravàna, ary ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny loharanony. Fahamarinana fototra izany, ary handrafitra ny iray amin’ny fampianarana fototra ao amin’ireo epistilin’i Saoly, nanjary ny apostoly Paoly. Hiteny amin’ny mpino tany Korinto izy hoe : „Ianareo no tenan’i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa, araka ny anjaranareo avy”. Aoka „mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra” (1 Korintiana 12:27, 25).