Zoma 14 Oktobra 2022

Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho : Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho ; ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. Salamo 32:5

 

Voavela heloka ho mandrakizay

Na dia maro sy lehibe toy inona aza ny fahotan’ny mpino, dia avelan’Andriamanitra, satria Kristy teo amin’ny hazofijaliana no efa nitondra ny famaizana noho izany, nisolo toerana azy ireo, indray mandeha tsy miverina. Indreto andinin-tSoratra Masina vitsivitsy ao amin’ny Baiboly, manamarina izany :

„Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Jesosy dia „natolotra noho ny fahadisoantsika” (Romana 4:25). Noho izany, afaka miteny Andriamanitra hoe : „Tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Hebreo 8:12). Efa nariany teo ivohony ireny (Isaia 38:17).

Mika mpaminany dia mampiasa sary tena miteny ho azy : „Harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra” (Mika 7:19). Tsy hisy olona haka azy ireny any mba hamelatra izany indray eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny andro fitsarana.

Amin’ny alalan’i Isaia mpaminany dia miteny koa Andriamanitra hoe : „Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona” (Isaia 44:22). Raha vao „voasasa” tamin’ny ran’i Jesosy Kristy isika, dia tsy misy soritra mijanona intsony izany fahotana izany, toy ny rahona tsy mamela soritra eny amin’ny lanitra rehefa naparitaky ny rivotra.

Aoka homarihina tsara fa Andriamanitra dia miraharaha mandrakariva ny ota ; tsy manala tsiny ny ota Izy, nefa kosa mamela heloka. Masina Andriamanitra, tsy mahazaka ny ratsy, tsy afaka mandefitra amin’izay manohitra ny voninahiny sy ny fahasambaran’ireo zavaboariny. Matoa mamela heloka Izy, dia satria marina. Efa nampiharina tamin’i Kristy tokoa mantsy ny famaizana ny fahotana : nitondra ny fahotan’ny mpino Izy. Koa manomboka amin’izay izy ireo dia afaka misitraka am-pifaliana ny fahamarinana sy fitiavan’Ilay Andriamanitra Izay „hamela heloka dia hamela heloka tokoa” (Isaia 55:7).