Asabotsy 15 Oktobra 2022

Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina. 1 Korintiana 15:3

 

Tsy tokony hiresaka momba ny ota intsony ve ?

Izany no re amin’izao androntsika izao ! Ny ota hono dia teny noforonin’ny fivavahana fotsiny, mba hampitahorana ny olona. Nefa raha te hanary ny atao hoe ota ianao, dia tokony handà ny Baiboly koa ! Ilay Andriamanitra ambarany mantsy no Ilay Mpahary antsika, mahafantatra tsara ny maha isika antsika sy izay mety ho vitantsika. Tsy refesi-mandidy Izy, masina tanteraka, ary tsy mahazaka ny ratsy. Aminy no tsy maintsy hanao tatitra ny olona tsirairay, ka ny fitondrantenantsika dia hotombanany araka ireo mari-pitsarany, fa tsy araka ireo antsika. Ny hoe manota dia ny tsy fahatanterahana indrindra ireo mari-pitsarany ireo. Ary indrisy fa tsy misy olona mahatanteraka azy ireo. Hentitra Andriamanitra milaza hoe : „Samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:23).

Izany no mahatonga izao lahatsoratra izao mbola hiresaka momba ny ota, mandraka androany ! Tsy hoe mba hampatahotra tsy akory, fa mba hanoro ny vahaolana aroson’Andriamanitra hamahàna io olana io. Satria tia ny olona Izy, na eo aza ny fahadisoan’izy ireo, dia nomeny ny Zanany. Tonga teto an-tany Jesosy mba ho faty, hanesorany ny fahotan’ireo izay manaiky Azy ho Mpamonjy. Nandao ny lanitra Izy mba ho etỳ amin’ity tontolo ity, hihaona amin’olona mijaly noho ny vokatry ny ota. Nizaka ireo eso sy ireo herisetran’ny olona Izy, nefa nanambara tamin’ireo rehetra te hihaino Azy, hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).

Eny, tena misy tokoa ny ota ; ary ao amin’ny olombelona tsirairay izy io. Nefa atolotr’Andriamanitra mba hanafaka antsika amin’izany ny vahaolana, dia ny hazofijalian’i Jesosy.