Alahady 16 Oktobra 2022

Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka. Salamo 32:2

 

Aiza ho aiza ny kaontiko ?

Notononina tao anatina vondrona mpamaky Baiboly iray ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka”. Dia nisy kristiana zokiolona iray nanamarika hoe : „Satria tsy tiany hisaina fanindroany izany”.

Nisain’Andriamanitra tokoa mantsy ny fahotana rehetra nataon’ireo izay mino, rehefa nitondra ireny teo amin’ny hazofijaliana Kristy. Nentiny avokoa, ary maro isa noho ny volon-dohany (Salamo 40:12). Niaretany ny famaizana izany teo anatrehan’Ilay Andriamanitra masina. Nahatsapa ny tena vesatr’izany Izy, satria nahafantatra ireo fitakian’ny fahamarinan’Andriamanitra.

Nozakainy ny famaizana ny fahotan’ireo rehetra mino, na ireo talohan’ny nahatongavany ho olona na ireo taoriana. Fahotana misavovona ! Nefa lavorary Ilay sorona : „Ny ran’i Jesosy… no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7). Natsangan’Andriamanitra ho velona indray ny Zanany, ary nakariny any amin’ny voninahitra, mba hanehoany fa nahavaly tanteraka ny otantsika ny sorona nataon’i Kristy.

Noho izany Andriamanitra dia „tsy manisa” ireo fahotan’izay mino ; tsy azony isaina intsony mantsy ireo, satria efa nandray ny sazy tandrify izany. Marina Andriamanitra manoloana an’i Kristy, rehefa mamela ny helok’izay mitoky amin’i Kristy.

Eny, marina tanteraka ny fomba fanisan’Andriamanitra. Tsy raisiny ho zava-maivana ireo fahadisoantsika. Mamela ireo Izy, ho an’izay manatona am-pinoana an’i Jesosy, Ilay hany afaka nanonitra azy ireo. Na izy rehetra, na tsy misy. Na voafafan’ny ran’i Kristy ireo fahotako, na voasoratra ho mandrakizay ao anatin’ny kaontiko eo anatrehan’Andriamanitra.