Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’izay latsaka amin’ny fangidiana ? Izay miandry fahafatesana ? Joba 3:20, 21

Aminao no anandratako ny masoko, ry Mpitoetra any an-danitra ô. Salamo 123:1

 

Fangidiana (3)

— Joba, izay mpino ao amin’ny Testamenta Taloha, dia „olona marina sy mahitsy… sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy” (Joba 1:8). Nandalo fitsapana mamaivay izy : tampoka teo dia fongana ny harenany, ringana ny zanany folo mianadahy, ary very ny fahasalamany. Nambosy azy hanozona an’Andriamanitra ny vadiny. Nefa dia nijoro mafy tamin’ny finoany izy, ary tsy naneho fikomiana na kely aza, rehefa namely azy ny fahoriana. Rehefa tonga tao aminy anefa ireo namany mba hampionona azy, dia nanao teny ankolaka taminy hoe azo antoka fa famaizana avy amin’Andriamanitra izao voina rehetra izao, noho ny fahadisoana afenin’i Joba azy ireo. Koa rehefa noporetin’izy ireo i Joba, dia nanjary nihevitra fa tsy marina Andriamanitra, nitsapa azy toy izao. Ao amin’ireo toko rehetra ireo dia hita izy miady amin’ny tohan-kevitry ny namany sy amin’ny tenany. Dia feno fangidiana ny teniny. Nihevitra izy fa nitsangan-ko fahavalony Andriamanitra, ka nisendoatra izy niteny hoe : „Tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy” (Joba 9:18). „Maharikoriko ahy ny aiko ; hamoaka ny fitarainako aho, sy hiteny noho ny fangidian’ny fanahiko” (Joba 10:1).

Nefa rehefa mby teo amin’ny faran’ny kabariny i Joba, dia naneho ny tenany taminy Andriamanitra, nampahatsiaro azy ny halehibeny sy ny fiandrianany ary ny fahendreny. Dia takatr’i Joba ny lesona, ka nanasitrana azy Andriamanitra, ary namerina taminy mihoatra lavitra noho izay nafoiny. Eo koa dia Andriamanitra no loharanon-kery sy vonjy, ho an’ity mpino voazaha toetra mafy ity. Joba dia nianatra hahafoy izay rehetra heveriny ho zony sy hitoky amin’Andriamanitra, Izay „miantra indrindra… sady be famindrampo” (Jakoba 5:11), ary tsy nitady afa-tsy ny hahasoa azy !

(amin’ny heriny ny farany)