Talata 18 Oktobra 2022
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika. 1 Jaona 3:23
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. 1 Jaona 4:12
Tsy tonga ho azy ve ny fihetsehampontsika, matetika tsy voasaina, ary indraindray tsy voafehy ? Tsy mifanaraka mandrakariva amin’ireo toetran’ny fitiavan’Andriamanitra antsika izany. Omen’Andriamanitra didy hitia anefa ny mpino, satria efa nahazo ny hery sy ny fahafahana hanao izany, tamin’ny alalan’ny fitiavan’Andriamanitra, narotsaky ny Fanahy Masina ao am-pony (Romana 5:5).
Ahoana no hanetsehana io fitiavana io ? Amin’ny fankatoavana ny Tompo. Ohatra, marary ny namako kristiana iray. Napetraky ny Tompo ato am-poko ny hamangy azy. Nefa raha tsy mankatò izany tolo-tsaina izany aho, dia mety hivadika ho tsy firaharahana an’io namana io ny ato am-poko. Raha mankatò aho, noho ny finoana, dia mahatsapa fa tena tia azy tokoa. Inona no nitranga ? Ny fankatoavana ny Tompo dia mitarika ny fihainoana ho amin’ny fampiharana (jereo Jakoba 1:22).
Izany no fanalahidin’ny fitiavana ampiharina : ny fankatoavana ny Tompo amina toe-tsaina mino ! Raha ny marina, dia ny Tompo no mitarika ahy ho amin’ny fitiavana, amin’ny fitiavana ao amin’ny fahamarinana. Miasa ao anatintsika Izy, mba hialan’ireo sakana eo amin’ny tena fiombonan’ny mpino, ao anatin’ny fifanajana, fahitsiana, fandavantena, hamorampo. Tsy ao amintsika ny hery itiavana, fa ao amin’Andriamanitra. Ny finoana sy ny fankatoavana no mampifandray antsika amin’ny Tompo ; ary amin’izay Izy no mamokatra ao anatintsika ilay zava-mahagaga antsoina hoe ny fitiavana. Angatahin’Andriamanitra ny tsirairay hitia ny namany tahaka ny tenany. Tsy mamela safidy ho antsika Izy, momba izany.