Alarobia 19 Oktobra 2022
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe : Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra. Lioka 12:20, 21
Indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2
Taona 1942, tao amina tanàna iray tany Frantsa. Mandry eo am-parafara ny tovolahy iray, lazoin’ny raboka. Faran’izay osa izy, saika tsy mahatsiaro tena mihitsy. Indreo mpitsabo telo eo, miresaka moramora. Nahateny ny iray tamin’izy ireo hoe : „Mampalahelo ity tovolahy ity, efa any am-pasana ny tongony ilany”. Nefa ren’ilay tovolahy izy ! Nanindrona azy mafy io teny io. Ketraka izy, tsy niteny tsy nivolana, tsy nihetsika.
Ny alina manontolo dia nitamberina tsy ankijanona tao an-tsainy ny tenin’ilay dokotera. Nitomany mangina izy. Toa hitany sahady izy miseho eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra. Nanalavitra an’Andriamanitra izy, noho ny fitondrantena ratsiny… Koa dia nieritreritra ny Filazantsara izy, nieritreritra an’i Jesosy Izay miantso azy, Jesosy Izay maty mba hisolo toerana azy. Dia naka ilay fanapahan-kevitra lehibe izy. Niaiky ny fahadisoany izy, ary nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny.
Haharitra io fiovany io, ho fanolorantena mandritra ny androm-piainany manontolo, taorianan’ny fahasitranany. Tokana ihany ny vavolombelona, dia Andriamanitra mihitsy. Dimampolo taona tatỳ aoriana dia mbola mitoetra voasokitra ao anatiny hatrany ny fahatsiarovana io alina io. Ilay alina niovany fo, ka nahazoany fihavanana amin’Andriamanitra ; ilay alina nankatoavany an’i Jesosy Kristy, ary tsy nivadihany taminy mihitsy. Ilay alina nanova ny fiainany.
Mipetraka amin’ny tsirairay ny fanontaniana hoe : Efa mba nisy andro iray ve, nananako fifandraisana lalina sy matotra amin’Andriamanitra, naha tapakevitra ahy ? Nanaiky hankatò an’i Jesosy Kristy ve aho ? Raha tsy izany mantsy, dia mbola tsy tara izao ! Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mamela heloka, ary manolotra ny fahasoavany amin’izay mitalaho aminy. Tandremo anefa : tsy tokony hatao ampitso lava ny fanapahan-kevitra, satria tsy tompon’ny ampitso isika ; izao ankehitriny izao no fotoana hanaovana safidy !