Alakamisy 20 Oktobra 2022
Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary *[DIEM :]* ny zavatra noeritreretiny dia maro tahaka ny fasika amoron-dranomasina. 1 Mpanjaka 5:9
Fifaliana lehibe tamiko ny nahaterahan’ny zafikeliko voalohany. Ary rehefa nanambara tamiko ny fahaterahan’ny faharoa ny zanako lahy, dia mbola nisy toerana ihany tao am-poko, hitiavana zafikely roa amina afom-pitiavana mitovy. Ary tamin’ny fahaterahan’ilay fahatelo, dia mbola nisy toerana hatrany tao.
Lazain’ny Baiboly antsika fa tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona dia marobe ny Zanak’Israely, „tahaka ny fasika amoron-dranomasina” (1 Mpanjaka 4:20). Solomona anefa dia afaka nitia io vahoaka manontolo io, satria nomen’Andriamanitra fo afaka mieritreritra zavatra betsaka „tahaka ny fasika amoron-dranomasina”.
Mba tiako ny hiresaka aminao fitiavana mbola lehibe lavitra, dia ny fitiavan’i Jesosy Kristy. Tiany ny olona rehetra, na iza na iza. Mihoatra lavitra noho ny ao anatin’ny foko na ny fon’i Solomona, dia misy toerana ho an’ny olona rehetra maneran-tany ao am-pon’i Kristy : „Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy”, hoy Izy (Jaona 6:37).
Inona no porofon’ny fitiavany ? Vakio ireo filazantsara : fony tetỳ an-tany Izy dia tsy mba nanilika an’iza na iza, na manankarena, na mahantra, na marary, na salama. Nanatona ny olona tsirairay Jesosy.
Izy ihany no nanolo-tena hisolo toerana antsika, hiaritra ny fitsarana sahaza antsika. Maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, rehefa nizaka ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota, mba tsy hiharan’izany isika. Ampy ny mino izany, sy ny miaiky fa mpanota isika, mba hamelan’Andriamanitra ny helotsika sy hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay.