Zoma 21 Oktobra 2022
Aza mety hofitahina ianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Galatiana 6:7
Nisy mosary mafy tao amina tanàna iray nanaovana fahirano ny vahoaka Israely ; nampilaza vaovao mahafaly Andriamanitra, hoe ho vaky mandositra ny fahavalo ary hifarana ny mosary. Rehefa nambara izany vaovao mahafinaritra izany, dia naniratsira an’Andriamanitra ilay miaramila mpanafika malaza izay nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tànany, hoe : „Na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va ?” Nandà ny fahasoavan’Andriamanitra nambaran’ny mpaminaniny izy. Ka hoy ilay mpaninany taminy : „Indro, ho hitan’ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao”. Koa rehefa tonga ny fanafahana, dia io lehilahy io irery no tsy mba nisitraka izany.
Amin’izao androntsika izao dia maro ny mpaniratsira ; iray amin’ny toetra mampiavaka ny vanimpotoana ankehitriny izany. Efa nolazain’ny Baiboly antsika mialoha izany, hoe : „Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, avy haniratsira, mandeha araka ny filany” (2 Petera 3:3). Ho an’izy ireo, toy ny ho an’ilay mpanafika nitehenan’ny mpanjaka, dia tsy misy lanjany ny Tenin’Andriamanitra. Miantehitra amin’ny zavatra hita maso izy ireo, ka minia tsy miraharaha izay ambaran’Andriamanitra aminy. Ho azon’Andriamanitra atao ny mitsara azy ireo, toy ny nataony tamin’ilay lehilahy teo, nefa „mahari-po… Izy, ka tsy tiany hisy ho very” ny olona (2 Petera 3:9). Ny fitsarana mantsy dia „tsy ilay fanaony mandrakariva… tsy ilay vitainy mandrakariva” (Isaia 28:21), satria tia ny zavaboariny Izy, ka „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4).
Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola manolotra ny fahasoavany amin’ny olona rehetra. Aza mihaino ireny mpananiratsira ireny, fa minoa ny tenin’Andriamanitra, izay naoriny mandrakizay any an-danitra (Salamo 119:89).